Amosa 3 - Malagasy Bible Revision Version

Hampamoahin’NY TOMPO ny Israely

1Henoy izao teny izao izay lazain’NY TOMPO ny aminareo, ry Zanak’Israely, dia ny amin’ny taranaka rehetra izay nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!

2Ianareo ihany no fantatro

tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany;

araka izany dia hovaliako ianareo

noho ny helokareo rehetra.

Miteny NY TOMPO ka afaka hangina va ny mpaminany?

3Ho tafara-dalana va ny olona roa lahy

raha tsy efa nifanaiky?

4Mierona any an’ala va ny liona

raha tsy mahita remby?

Manerona ao an-davany va ny liona tanora

raha tsy nahazo haza?

5Voan’ny fandrika amin’ny tany va ny vorona

raha tsy nisy tadivavarana?

Voarirotra hiainga amin’ny tany va ny fandrika

raha tsy nahavoa zavatra?

6Tsofina ao an-tanàna va ny anjomara

ka tsy hangovitra ny vahoaka?

Misy loza va ao an-tanàna

raha tsy NY TOMPO no nahatonga izany?

7Fa tsy manao na inona na inona tokoa NY TOMPO Andriamanitra

raha tsy milaza ny heviny

amin’ireo mpaminany mpanompony.

8Ny liona no mierona ka iza no tsy hatahotra?

NY TOMPO Andriamanitra no miteny ka iza no tsy haminany?

Madiva tsy hisy na inona na inona ho tavela intsony ao Samaria

9Ambarao any amin’ireo lapa any Asdoda

sy any amin’ireo lapa any amin’ny tany Ejipta hoe:

Mivoria any amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianareo

ka jereo ny tabataba be ao aminy

sy ny fampahoriana ao anatiny ao!

10Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo,

hoy NY TOMPO;

mitahiry fanaovana an-keriny sy hetraketraka ao an-dapany izy.

11Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

E, misy fahavalo manodidina ny tany!

Hazerany ny mandanao

ary horobaina ny lapanao.

12Izao no lazain’NY TOMPO:

Toy ny fandrirotry ny mpiandry ondry avy eo am-bavan’ny liona

ny tongotr’ondry roa monja na ny sombin-tsofiny,

toy izany no ho fandrirotra ny Zanak’Israely

izay mipetraka ao Samaria,

eo an-jorom-parafara sy eo amin’ny lamba lafo vidy avy any Damaskosy.

13Henoinareo ka ambarao ny hamelezana ny taranak’i Jakoba!

Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao:

14Amin’ny andro hamaliako ny Israely noho ny fahotany

no hamaliako ireo alitara ao Betela;

hokapaina ny tandroky* ny alitara

ka hianjera amin’ny tany ireo.

15Hamely ny trano fonenana amin’ny ririnina sy ny trano fonenana amin’ny fahavaratra Aho;

ho rava ny trano ivoara;

trano maro no ho fongana,

hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help