Ezekiela 7 - Malagasy Bible Revision Version

Ambaran’NY TOMPO ny fiafaran’ny Israely

1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Ary ianao, ry zanak’olona*, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tanin’ny Israely:

Injao ny farany!

Eny, efa mby akaiky ny farany ho amin’ny vazan-tany efatra!

3Ankehitriny dia efa mby akaikinao ny farany,

ary halefako aminao ny fahatezerako

dia hotsaraiko araka ny lalanao ianao

ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.

4Tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo Aho;

fa hatambesatro aminao ny lalanao

ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao.

Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.

5Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

Injao! Avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!

6Njao ny farany! Eny, efa akaiky ny farany!

Mifoha hamely anao izany! Indro, efa mby akaiky iny!

7Efa akaiky ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany!

Efa akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro!

Akoran’ady fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra!

8Vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako,

ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako

ka hotsaraiko araka ny lalanao ianao,

ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.

9Tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo Aho;

hatambesatro aminao ny lalanao,

ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao

dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no mamely.

10Indro ny andro, indro efa akaiky izany!

Miseho ny anjaranao!

Mamony ny tsorakazo!

Manorobona ny avonavona!

11Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezan’ny faharatsiana;

tsy hisy tavela intsony aminy, na ny hamaroany na ny harenany

na ny zava-mendrika eo aminy.

12Efa mby akaiky ny fotoana,

antomotra ny andro!

Aoka tsy hifaly ny mpividy

ary aoka halahelo ny mpivarotra!

Fa iharan’ny fahatezerana mirehitra ny harembeny rehetra.

13Fa ny mpivarotra dia tsy hifodian’izay efa lafony

na dia mbola isan’ny velona aza izy;

fa ny fahitana ny amin’ny hanjo ny harembe dia tsy hitsoaka,

ary tsy hisy hamonjy ny ainy amin’ny helony.

14Efa notsofina ny trompetra ka vonona ny zavatra rehetra

nefa tsy misy mankany amin’ny ady

satria iharan’ny fahatezerako mirehitra ny harembe rehetra.

15Ny sabatra no eny ivelany

ary ny areti-mandringana sy ny mosary no ao an-trano!

Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra

ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon’ny mosary sy ny areti-mandringana.

16Ary na dia misy afa-mandositra aza

dia ho eny an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha:

Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.

17Hiraviravy ny tanana rehetra

ary ho toy ny rano ny lohalika rehetra.

18Hisikina lamba fisaonana izy

ka hanafotra azy ny horohoro;

ho menatra ny tava rehetra

ary ho voasola ny lohan’izy rehetra.

19Ny volafotsiny dia hariany eny an-dalambe

ary ny volamenany dia hataony ho zava-maloto;

ny volafotsiny sy ny volamenany dia tsy hahavonjy azy amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO;

tsy hahavoky ny tendany na hahafeno ny kibony izany

satria izany no nahatonga heloka ho azy.

20Nataony firavaka tsara tarehy hoentiny mirehareha ireny

sady noentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-maharikoriko nataony.

Koa izany no hanaovako azy ireny ho zava-maloto.

21Hatolotro ho babo eny an-tanan’ny hafa firenena izy,

eny, ho babo ho an’ny ratsy fanahy amin’ny tany

ka holotoin’ireny izy.

22Dia hiamboho azy koa Aho

ka holotoina ny rakitro,

fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.

23Manefe gadra!

Fa feno fitsarana mandatsa-dra ny tany

ary feno fampahoriana ny tanàna.

24Koa hitondra izay firenena ratsy indrindra Aho

ka ho lasan’ireny ny tranony;

ary hatsahatro ny avonavon’ny mahery

sady holotoina ny fitoerany masina.

25Ho avy ny fampangovitana!

Hitady fiadanana izy nefa tsy hisy izany!

26Mifanontona ny fandravana,

mifandimby ny filazan-doza;

dia manontany fahitana amin’ny mpaminany izy

nefa tsy misy lalàna intsony amin’ny mpisorona,

na fahendrena amin’ny zokiolona.

27Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahaverezan-kevitra ny andriana,

hangovitra ny tanan’ny vahoaka.

Araka ny lalany ihany no hataoko aminy,

ary hotsaraiko araka ny fitsarana nataony izy

dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help