1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2Mitenena amin’ny fiangonana manontolo, dia ny Zanak’Israely hoe: Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, TOMPO Andriamanitrareo.
3Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo ary tandremo ny Sabatako: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
4Aza mivily hanaraka ireo andriamanitra tsy izy ary aza manao andriamanitra amin’ny vy voarendrika ho anareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
5Raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO ianareo dia ataovy amin’izay hankasitrahana anareo izany.
6Amin’izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin’ny ampitson’iny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo dia hodorana amin’ny afo.
7Ary raha hanina amin’ny andro fahatelo izany dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana,
8fa izay mihinana azy io dia ho meloka satria nanamavo ny zava-masin’NY TOMPO izy ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izany olona izany.
9Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo dia aza jinjaina avokoa ny eny an-tsisiny; aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao.
10Aza otazana avokoa ny voaloboka eo amin’ny sahanao ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ny sahanao. Avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
11Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
12Aza manao fianianana mandainga amin’ny anarako ka hanamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
13Aza maka an-keriny ny zavatry ny namanao na mampahory azy; aoka tsy hitoetra ao aminao mandritra ny alina ny karaman’izay nokaramainao.
14Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan’ny jamba; fa matahora an’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
15Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana; aza miandany foana amin’ny mahantra, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
16Aza mandehandeha manaratsy ny mpiaramonina aminao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no TOMPO.
17Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao; anaro mafy ny mpiray firenena aminao mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
18Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ny zanaky ny firenenao fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no TOMPO.
19Tandremo ny fitsipiko: Aza avela hiray amin’ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa tsy mitovy karazana ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ny zavatra roa samihafa karazana.
20Raha misy mandry amin’ny andevovavy izay efa voafofon’olona ho vadiny ka tsy voaavotra na voavotsotra ho olona afaka Ravehivavy dia hofaizina izy roa nefa tsy hovonoina satria tsy olona afaka Ravehivavy.
21Fa hoentin-dRalehilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;
22ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy amin’ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan’NY TOMPO, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany.
23Rehefa tonga any amin’ilay tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa dia hevero ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy azo hanina.
24Amin’ny taona fahefatra kosa dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana NY TOMPO.
25Amin’ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo mba hitomboan’ny fahavokarany ho anareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
26Aza mihinana zavatra misy ra; aza manao sikidy na manandro.
27Aza manasola ny fihirifanareo. Aza manaratra ny sisin’ny volombavanao.
28Aza mitetika ny tenanareo ho an’ny maty na manao tombo-kavatsa amin’ny tenanareo. Izaho no TOMPO.
29Aza mampijangajanga ny zanakao vavy ka hampaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
30Tandremo ny Sabatako ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no TOMPO.
31Aza mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na mitady saina amin’ny mpanandro hampahaloto anareo aminy: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
32Mitsangàna ianao raha eo anatrehan’ny fotsy volo; manajà ny zokiolona. Matahora an’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
33Raha misy mivahiny aminareo eo amin’ny taninareo dia aza mampahory azy.
34Ny vahiny izay monina eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao izy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
35Aza manao izay tsy marina, na amin’ny fitsarana na amin’ny fandrefesana na amin’ny fandanjana na amin’ny famarana.
36Mizana marina, vato mizana marina, efaha* marina, hina* marina, no hotananareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.
37Tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra ka araho izany: Izaho no TOMPO.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.