1Lozan’ireo mpiandry ondry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy NY TOMPO.
2Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ireo mpitondra izay miandry ny oloko: Efa nampihahaka ny ondriko sy nandao azy ianareo, fa tsy nikarakara azy; koa indro, hovaliako ianareo noho ny ratsy nataonareo, hoy NY TOMPO.
3Ary hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy Aho ka hampodiko ho any amin’ny saha niandrasana azy izy dia hitombo sy hihamaro.
4Ary hanendry mpitondra ho azy Aho ka ireo no hiandry azy; ary tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy NY TOMPO.
5Indro, avy ny andro,
hoy NY TOMPO,
izay hananganako Solofo marina ho an’i Davida,
koa hanjaka Izy sady ho hendry
ary hanao fitsarana marina amin’ny tany.
6Amin’ny androny no hamonjena ny Joda
sy handrian’ny Israely fehizay;
ary izao no anarany izay hanononana Azy:
NY TOMPO no fahamarinantsika.
7Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hitenenana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!
8Fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny taranak’Israely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; dia honina ao amin’ny taniny izy.
Ny amin’ireo mpaminany tsy mendrika9Ny amin’ireo mpaminany:
Montsamontsana ato anatiko ny foko,
mangozohozo ny taolako rehetra;
toy ny olona mamo aho
ary toy ny lehilahy leon-divay,
noho ny amin’NY TOMPO sy noho ny teniny masina.
10Fa feno mpijangajanga ny tany;
ary noho ny ozona no isaonan’ny tany;
efa maina ny kijana any an-tany efitra;
ary efa ratsy ny fanaon’ny olona
sady ny tsy fahamarinana no heriny.
11Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa;
na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany,
hoy NY TOMPO.
12Koa ho toy ny lala-malama amin’ny haizim-pito ny lalany;
hifanosika izy ka ho potraka ao;
fa hahatonga loza aminy Aho
amin’ny taona hamaliana azy,
hoy NY TOMPO.
Mpaminany ratsy noho ny any Samaria13Ary tamin’ny mpaminanin’i Samaria
no nahitako zavatra mahaloiloy:
Naminany tamin’ny Baala* izy
ka nampivily ny Israely oloko.
14Ary tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa
no nahitako zavatra mahatsiravina:
Mijangajanga
sy mandeha araka ny lainga izy
sady mampahery ny tanan’ny mpanao ratsy
ka samy tsy misy miala amin’ny faharatsiany avy;
eny, izy rehetra, Amiko, dia tonga tahaka an’i Sodoma,
ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.
15Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ireo mpaminany ireo:
Indro, hofahanako zava-mahafaty izy
ary hampisotroiko rano misy poizina,
satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema
no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.
Mpaminany miasa ho amin’ny lainga16Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:
Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany
izay maminany aminareo,
fa mamitaka anareo ireo;
ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy
fa tsy izay aloaky ny vavan’NY TOMPO.
17Sahy milaza amin’izay manamavo Ahy izy hoe:
NY TOMPO no nilaza hoe:
Hahita fiadanana ianareo;
ary izay rehetra mandeha araka ny ditran’ny fony dia ilazany hoe:
Tsy hisy loza hanjo anareo.
18Fa iza moa no efa isan’ny mpihevitra teo amin’NY TOMPO ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny Taminy ka nihaino ny teniny?
19E! Ny tadion’NY TOMPO!
Mivoaka ny fahatezerana
sy ny tadio mitambolimbolina
ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.
20Ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra
raha tsy efany sy tanterany
ny hevitry ny fony;
mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
21Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho
kanefa nidodododo ihany izy,
tsy niteny taminy Aho
kanefa naminany ihany izy.
22Fa raha isan’ireo nandray torohevitra Tamiko izy
dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko
ka namerina azy hiala tamin’ny lalany ratsy
sy tamin’ny ratsy nataony.
Manerana izao tontolo izao ny fanatrehan’NY TOMPO23Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho?
Hoy NY TOMPO,
fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
24Moa misy olona afaka miafina any amin’ny toerana fierena va
ka tsy ho hitako?
Hoy NY TOMPO.
Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho?
Hoy NY TOMPO.
Mitantara feno lainga ireo mpaminany25Efa reko ny nolazain’ny mpaminany izay naminany lainga tamin’ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
26Mandra-pahoviana no hiheveran’ireo mpaminany ireo hilazany lainga sy haminaniany araka ny fitaky ny fony
27ka hampanadino ny oloko ny anarako amin’ny nofiny izay lazainy amin’ny namany avy, toy ny nanadinoan’ny razany ny anarako noho ny amin’ny Baala*?
28Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko.
Fa inona moa izay mololo raha oharina amin’ny vary?
Hoy NY TOMPO.
29Tsy tahaka ny afo va ny teniko? Hoy NY TOMPO, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
30Koa indro, fa hasiako ny mpaminany, izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy, hoy NY TOMPO.
31Indro, hoy NY TOMPO, Izaho no hamely ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe avy Amiko izany.
32Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy NY TOMPO, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; nefa tsy naniraka azy na nandidy azy Aho tsinona, koa dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy ireny, hoy NY TOMPO.
Moa enta-mavesatra va ny tenin’NY TOMPO33Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona ka miteny hoe: Inona indray no enta-mavesatry NY TOMPO? Dia teneno aminy hoe: Ianareo no enta-mavesatra ka hariako ianareo, hoy NY TOMPO.
34Ary raha misy miteny ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ny vahoaka hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, dia hoteneniko izany olona izany mbamin’ny ankohonany.
35Samia manontany amin’ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’NY TOMPO? Ary ahoana no nolazain’NY TOMPO?
36Fa ny hoe ny enta-mavesatry NY TOMPO dia tsy hotononinareo intsony; fa ny tenin’ny olona tsirairay ihany no ho enta-mavesatry ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitsika.
37Izao no hanontanianareo amin’ny mpaminany: Ahoana no navalin’NY TOMPO anao? Ary ahoana no nolazain’NY TOMPO?
38Fa raha hoy ianareo: Enta-mavesatry NY TOMPO, dia izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, nefa efa nandefasako iraka ihany ianareo ka nilazako hoe: Aza miteny izany hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO izany,
39indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;
40ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny henatra mandrakizay izay tsy hohadinoina.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.