Salamo 120 - Malagasy Bible Revision Version

Vavaka ataon’ny olona voampanga amin’ny zavatra tsy marinaHira fanao amin’ny fiakarana.

1NY TOMPO no nitarainako tamin’ny fahoriako

dia namaly ahy Izy.

2TOMPO ô, vonjeo ny fanahiko amin’ny molotra mandainga;

eny, amin’ny lela mamitaka.

3Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao,

ry lela mamitaka?

4Zana-tsipìkan’ny mahery sady voaranitra,

miaraka amin’ny vain’afon’anjavidy.

5Lozako fa mivahiny eto amin’ny Maseka aho

ary mitoetra ato an-dain’ny Kedara!

6Ela loatra izay no nitoeran’ny fanahiko

teo amin’izay tsy tia fihavanana.

7Raha izaho dia fihavanana no lazaiko; kanjo nony niteny aho

dia mila ady kosa ireny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help