Titosy INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version
INDRAY MIJERYMisy fitoviana be amin’ny 1, 2Timoty ity epistily ity ka tokony ho fotoana nifanarakaraka no nanoratana ireo. Heverina fa tany Nikopolia, tanàna any Gresy, i Paoly no manoratra, taorianan’ny nanoratany ny 1Timoty.Ny votoatin’ny EpistilyNapetrak’i Paoly tao amin’ny Fiangonana tao Kreta i Titosy mba handamina izay mbola tsy tanteraka sady hametraka loholona sy mpitondra fiangonana ao. Ny fotokevitra ao amin’ny Epistily dia mitovitovy ihany amin’izay hita ao amin’ny 1, 2Timoty, dia ny hihazonan’i Titosy ny fampianarana tsy misy kilema izay mampandroso ny fahatahorana an’Andriamanitra ary hanoherany ireo manao fampianarana hafahafa toy izay hita ao amin’ny 1Timoty: 1.10, 14-16; 3.9.Ny firafitry ny EpistilyFitarihanteny sy fiarahabana apostolika: 1.1-4Fampahatsiarovana ny andraikitr’i Titosy: 1.5-16Famintinana ireo fananarana manokana tandrify ny Mpino: 2–3.11Famaranana 3.12-15