Genesisy 49 - Malagasy Bible Revision Version

Ny tsodrano nataon’i Jakoba tamin’ireo zanany roa amby folo lahy

1Ary namory ireo zanany lahy i Jakoba ka niteny hoe:

Mivoria ianareo mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo amin’ny ho avy.

2Miangòna ka mihainoa, ry zanakalahin’i Jakoba,

eny, mihainoa an’Israely rainareo:

3Ry Robena, lahimatoako ianao,

heriko sy voalohan’ny tanjako;

manana tombom-pisandratana, manana tombon-kery.

4Mandroadroatra toy ny rano anefa ianao ka tsy hanana tombony intsony,

satria niakatra tamin’ny fandrianan’ny rainao ianao,

ary tamin’izany no nandotoanao azy.

Endre, ny farafarako lahy ka niakarany!

5I Simeona sy i Levy dia niray saina;

fiadiana mandoza ny sabany;

6tsy hiditra amin’izay fiokoany aho

ary tsy hiray amin’izay fivoriany!

Satria tamin’ny fahatezerany no namonoany olona

ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.

7Ho voaozona anie ny fahatezerany, satria nasiaka izany

ary ny fahavinirany, satria loza izany!

Hampihahakahaka azy eny amin’i Jakoba aho

ary hanely azy eny amin’ny Israely.

8Ry Joda, hoderain’ny rahalahinao ianao.

Ny tananao dia ho ao amin’ny vozon’ny fahavalonao;

hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.

9Zanaka liona i Joda.

Avy niremby ianao, anaka!

Mamitsaka, mandry toy ny liona izy,

toy ny liom-bavy, koa iza no hanaitra azy?

10Ny tehim-panjakana dia tsy hiala amin’i Joda

ary ny tehim-panapahana dia tsy hiala eo anelanelan’ny tongony,

mandra-pahatongan’i Silo

ka hanoa azy ny firenena maro.

11Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ny tahom-boaloboka izy

ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ny tahom-boaloboka tsara;

manasa ny fitafiany amin’ny divay izy

ary ny akanjony amin’ny ram-boaloboka.

12Mivoaramena ny masony noho ny divay

ary fotsy ny nifiny noho ny ronono.

13I Zebolona dia honina eo amoron-dranomasina,

eny amoron-dranomasina misy ny fitodian-tsambo,

ary ny sisintaniny dia hifanolotra amin’i Sidona.

14Isakara dia boriky henjana

mandry eny anelanelan’ny vala.

15Nony hitany fa tsara ny toeram-pialan-tsasatra

sady mahafinaritra ny tany

dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy

ka tonga mpanompo mandoa hetra.

16I Dana dia hitsara ny olony

tahaka ny iray amin’ireo fokon’ny Israely.

17I Dana dia ho menarana ao amoron-dalana,

ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy,

manaikitra ny kitrokelin’ny soavaly

ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.

18Ny famonjenao no andrasako, TOMPO ô!

19I Gada dia misy andian-jiolahy manafika azy

fa izy kosa dia hamely am-pitaka.

20Ao amin’i Asera ny sakafo matavy

ka izy no hanome sakafo matsiro ny mpanjaka.

21I Naftaly dia dieravavy tsy voafehy;

mpanome teny mahafinaritra izy.

22I Josefa dia sampana mahavokatra;

eny, sampana mahavokatra eo anilan’ny loharano;

ny rantsany dia mananika mihoatra ny fefy.

23Nampahory azy ny mpitifitra,

nitifitra sy nanenjika azy;

24kanefa mateza hery ny tsipìkany

ary mailamailaka ny sandriny,

noho ny tanan’Ilay Maherin’i Jakoba,

noho ny Mpiandry, izay Vatolampin’Israely,

25noho Andriamanitry ny rainao

ka Izy no hamonjy anao;

noho ny Tsitoha ka Izy no hitahy anao,

dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony

sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany,

ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.

26Ny tsodranon’ny rainao dia mahery

noho ny tsodranon’ireo havoana mandrakizay

sy ny zavatra mahafinaritra amin’ny tendrombohitra fahagola;

ho eo an-dohan’i Josefa izany,

ho eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny.

27I Benjamina dia amboadia mamiravira;

nony maraina izy dia homan-dremby,

nony hariva mizara babo.

28Ireo rehetra ireo no fokon’ny Israely roa amby folo. Izany no nolazain’ny rainy taminy sy nitsofany rano azy. Samy araka ny tsodrano izay tokony ho azy ireo avy no nitsofany rano azy ireo.

Ny nahafatesan’i Jakoba

29Dia nanafatra an’i Josefa i Jakoba ka niteny taminy hoe: Efa madiva hangonina any amin’ny razako aho; aleveno any amin’ny razako aho, dia ao anatin’ilay zohy izay any amin’ny sahan’i Efrona hetita,

30ao anatin’ilay zohy izay any amin’ny saha Makpela, izay tandrifin’i Mamre, any amin’ny tany Kanana, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana.

31Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Saraha vadiny; tao koa no nandevenana an’Isaka sy i Rebeka vadiny; tao koa no nandevenako an’i Lea.

32Ny saha sy ny zohy ao anatiny dia novidina tamin’ny taranak’i Heta.

33Rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zanany lahy rehetra dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka nangonina any amin’ny razany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help