Mika 7 - Malagasy Bible Revision Version

Tsy misy intsony ny olona marina

1Lozako! Fa efa toy ny mpioty voankazo aho

ary toy ny mpitsimpom-boaloboka:

Tsy misy salohy hohanina,

na aviavy mialin-taona izay mampilendalenda ahy.

2Lany tsy misy amin’ny tany intsony ny tsara fanahy;

eny, tsy misy marina ao amin’ny olombelona;

samy manao vela-pandrika mba handatsa-dra avokoa izy rehetra

ary mihaza ny rahalahiny amin’ny harato.

3Vonona hanao ratsy ny tanany;

be fitakiana ny mpitondra,

miaina amin’ny kolikoly ny mpitsara

ary maneho ny fitsiriritany ny lehibeny,

koa izy rehetra dia miray tsikombakomba.

4Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony

ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo.

Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao

fa hamaliana anao.

Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo.

5Aza matoky namana ianareo,

aza manankim-po amin’ny sakaiza mahazatra

fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’ny andefimandrinao aza.

6Fa ny zanakalahy dia manamavo ny rainy,

ny zanakavavy dia mitsangan-kanohitra ny reniny,

ary ny vinantovavy dia hanohitra ny rafozambaviny,

ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.

7Fa izaho kosa dia hiandrandra NY TOMPO,

eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho.

Ny Andriamanitro no hihaino ahy.

Fanantenana sy vavaka ataon’ny vahoaka

8Aza mifaly amin’ny manjo ahy, ry fahavaloko!

Fa na dia lavo aza aho dia mbola hiarina ihany;

raha mitoetra ao amin’ny maizina aho

dia NY TOMPO no fahazavana ho ahy.

9Ny fahatezeran’NY TOMPO dia hiaretako ihany

satria nanota Taminy aho,

ambara-pandahany ny raharahako

ka hanomezany rariny ahy;

hamoaka ahy ho amin’ny mazava izy

ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.

10Hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra,

dia ilay niteny tamiko hoe: Aiza izay TOMPO Andriamanitrao?

Ho faly mahita azy ny masoko

rehefa tonga fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.

11E, ny andro hananganana ny mandanao,

fa amin’izany andro izany dia hitarina ny faritrao.

12Amin’izany andro izany dia hanatona anao koa ny olona

avy any Asiria sy avy any amin’ny tanànan’i Ejipta;

eny, hatrany Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata,

avy amin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray hafa,

avy amin’ny tendrombohitra iray ka hatramin’ny tendrombohitra iray hafa.

13Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ny mponina eo aminy,

noho ny vokatry ny asany.

14Ny tehinao no aoka hiandrasanao ny olonao,

dia ny ondry lovanao,

izay monina mitokana any anatin’ny kirihitrala, ao an-tampon’i Karmela.

Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny,

toy ny tamin’ny andro taloha ela.

15Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta

no hanehoako zava-mahagaga aminy.

16Hahita izany ny Jentilisa*

ka ho rakotra henatra na dia mahery toy inona aza izy ireny;

hitampim-bava izy,

ho tonga marenina ny sofiny.

17Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy;

hiala amin-kovitra avy ao amin’ny fiarovany mafy

tahaka ny biby mikisaka amin’ny tany izy;

NY TOMPO Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra;

eny, hatahotra Anao izy.

18Iza no Andriamanitra tahaka Anao

izay manaisotra heloka

sady mamela ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany?

Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy

fa tia mamindra fo.

19Hamindra fo amintsika indray Izy

ka hanitsakitsaka ny fahotantsika;

eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.

20Hanefa fahamarinana ho an’i Jakoba Ianao

ary famindrampo ho an’i Abrahama,

dia ilay nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro taloha ela.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help