Deoteronomia 33 - Malagasy Bible Revision Version

Mitsodrano ny fokon’Israely roa amby folo i Mosesy

1Toy izao ny tsodrano nataon’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, tamin’ny Zanak’Israely, rehefa nadiva ho faty izy.

2Hoy izy:

Avy tao Sinay NY TOMPO

ary niseho tamin’ireo avy tany Seìra;

niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy;

ary avy tao amin’ny masiny tsy omby alinalina;

nisy afon’ny lalàna ho an’ireo teo ankavanany.

3Eny, tia ireo firenena Izy;

eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra;

miankohoka eo an-tongotrao ireo

ka samy mandray amin’ny teninao.

4Lalàna no nomen’i Mosesy antsika

ho lovan’ny fiangonan’i Jakoba.

5Ary tonga mpanjakan’i Jesoròna Izy,

rehefa tafangona ny lehiben’ny vahoaka

sy ny fokon’Israely rehetra.

6Aoka ho velona fa tsy ho faty i Robena,

nefa aoka ho vitsy olona izy.

7Ny amin’i Joda dia izao, hoy izy:

TOMPO ô, mihainoa ny feon’i Joda

ka ento ho amin’ny olony izy.

Ny tanany no hiadiany ho an’ny tenany

ka manampia azy Ianao hamelezany ny mpandrafy azy.

8Ny amin’i Levy dia hoy izy:

Ny Tomimanao sy ny Orimanao*

dia amin’ny olonao mahatoky anao,

izay nozahanao toetra tao Masa

sy nifamalianao tao amin’ny ranon’i Meriba,

9izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe:

Tsy mahita azy aho,

sady tsy nahafantatra izay rahalahiny izy,

ary izay zanany aza dia tsy fantany koa;

fa nitandrina ny teninao izy

ka nitana ny fanekenao.

10Hampianariny ny fitsipikao i Jakoba,

ary ny lalànanao Israely;

hametraka ditin-kazo manitra eo am-bavoronao izy

ary fanatitra dorana manontolo eo ambonin’ny alitaranao.

11TOMPO ô, tahio ny heriny,

ary aoka ho sitrakao ny asan’ny tanany;

asio mafy izay mitsangana hiady aminy

ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.

12Ny amin’i Benjamina dia hoy izy:

Ny malalan’NY TOMPO dia honina amim-piadanana eo aminy,

dia halofany mandrakariva

ary hobabeny eo an-damosiny.

13Ny amin’i Josefa dia hoy izy:

Hotahìn’NY TOMPO anie ny taniny

amin’ny fanomezan-tsoan’ny lanitra, dia amin’ny ando

sy amin’ny rano lalina mamitsaka any ambany,

14amin’ny zava-tsoa vokatry ny masoandro

sy ny voan-java-tsoa vokatry ny volana,

15amin’ny zava-malaza avy amin’ny tendrombohitra fahagola

sy ny zava-tsoa avy amin’ny havoana hatrizay

16mbamin’ny zava-tsoan’ny tany

sy izay rehetra eo aminy

ary ny fankasitrahan’Izay nitoetra tao amin’ilay roimemy;

aoka ho tonga ao an-dohan’i Josefa izany,

dia eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny.

17Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza,

tandrok’ombimanga ny tandrony;

izany no hanotoany ny firenena rehetra,

dia ny faran’ny tany;

ireo no alinalin’i Efraima

sy arivoarivon’i Manase.

18Ny amin’i Zebolona dia hoy izy:

Mifalia, ry Zebolona, amin’izay alehanao,

ary ianao, ry Isakara ao an-dainao.

19Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra,

ary ao no hamonoany zavatra ho fanatitra amim-pahamarinana;

fa hitsentsitra ny harenan’ny ranomasina izy

ary ny zava-tsoa miafina ao amin’ny fasika.

20Ny amin’i Gada dia hoy izy:

Isaorana anie izay manome malalaka ho an’i Gada;

mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy

ka mamiravira ny sandry mbamin’ny tampon-doha.

21Nizaha izay voaloham-bokatra ho an’ny tenany izy,

fa teo ny anjaran’ny mpanao lalàna no efa voatokana.

Niaraka tamin’ny lohan’ny firenena izy,

ary araka ny fahamarinan’NY TOMPO no nataony,

sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ny Israely.

22Ny amin’i Dana dia hoy izy:

I Dana dia zanaka liona;

miantsampy avy ao Basana izy.

23Ny amin’i Naftaly dia hoy izy:

Ry Naftaly, voky fankasitrahana

sy feno ny fitahian’NY TOMPO,

mandovà ny andrefana sy ny atsimo ianao.

24Ny amin’i Asera dia hoy izy:

Aoka hotahìna mihoatra noho ny zaza maro i Asera,

ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy

ka hanatsoboka ny tongony amin’ny diloilo.

25Ho vy sy varahina ny hidinao;

ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao.

26Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’Andriamanitra

izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao,

sady mandia ny rahona amin’ny voninahiny.

27Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana,

ary ny sandry mandrakizay no eto ambany.

Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy

ka miteny hoe: Aringano.

28Mandry fehizay Israely,

mitokana irery ny loharanon’i Jakoba

ao amin’ny tany be vary sy ranom-boaloboka;

eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.

29Sambatra ianao, ry Israely;

iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’NY TOMPO,

ampingan’ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao?

Hikoy anao ny fahavalonao,

ary hitsahinao ny havoanany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help