1Miantsoa ange!
Moa misy hamaly anao va?
Ary iza amin’ireo masina no hotodihinao?
2Fa ny adala dia vonoin’ny fahasosorana
ary ny kely saina dia matin’ny fialonana.
3Izaho dia nahita olona adala mamaka,
nefa vetivety indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho.
4Aoka ho lavitra ny famonjena ny zanany
ka ho torotoro eo am-bavahady
nefa tsy misy mamonjy!
5Aoka ny vokatry ny taniny ho lanin’ny mosarena;
eny, halainy na dia voafefy tsilo aza!
Ary aoka ny mangetaheta hitsiriritra ny fananany.
6Fa tsy mivoaka avy amin’ny vovoka ny alahelo
ary tsy mitrebona avy amin’ny tany ny fahoriana,
7nefa teraka ho amin’ny fahoriana ny olombelona,
dia tahaka ny fanidin’ny kilalaon’afo miakatra.
8Fa raha izaho kosa dia hitady an’Andriamanitra aho
ary Andriamanitra ihany no hametrahako ny raharahako.
9Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy
ary zava-mahagaga tsy hita isa;
10mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ny tany Izy
ary mampandeha rano eny amin’ny saha;
11apetrany amin’ny avo izay ambany
ary ny misaona no asandrany ho amin’ny famonjena.
12Izy no mandrava ny hevitry ny fetsy
ka tsy mahefa na inona na inona ny tanan’ireny;
13ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy,
ary ny saina ataon’ny mpiolakolaka dia rava;
14na dia amin’ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ny maizina ireny
ka miraparapa amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny alina,
15fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ny sabatry ny vavany;
eny, vonjeny tsy ho azon’ny tanan’ny mahery izy.
16Dia misy fanantenana ho an’ny reraka,
fa ny faharatsiana kosa dia mihombom-bava.
17Indro, sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra!
Koa aza atao tsinontsinona ny famaizan’ny Tsitoha!
18Fa sady mandratra Izy no mamehy;
manorotoro Izy ary ny tanany ihany no manasitrana.
19Amin’ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy;
eny, amin’ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
20Raha avy ny mosary dia hiaro anao amin’ny fahafatesana Izy
ary raha avy ny ady dia hiaro anao tsy ho voan’ny sabatra Izy;
21afeniny tsy ho voan’ny kapo-bava ianao
ary tsy hatahotra ianao raha avy ny fandringanana;
22ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao
ary tsy hatahoranao ny bibidia;
23fa vita fanekena amin’ny vato any an-tsaha aza ianao
ary ny bibidia dia hihavana aminao.
24Ho hitanao fa ny fiadanana no tranolainao,
ary raha mizaha ny kijananao ianao
dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao.
25Ho hitanao koa fa maro ny zanakao
ary ny naterakao dia ho tahaka ny ahitra amin’ny tany.
26Mbola feno tanjaka ianao no hiditra any am-pasana,
tahaka ny famoriana ny amboaram-bary amin’ny fotoanany.
27Izany ary no izy fa efa nandinika azy izahay!
Hevero ary izany ka fantaro tsara!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.