Ezekiela 17 - Malagasy Bible Revision Version

Ny voromahery sy ny tahom-boaloboka

1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Ry zanak’olona*, manaova ankamantatra, ary milazà oha-teny amin’ny taranak’Israely

3ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

Nisy voromahery lehibe

nanana elatra lehibe,

sady lava ny volon’elany,

ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra.

Tonga tao Libanona izy

ka naka izay avo indrindra tamin’ny rantsan’ny sedera.

4Ny tendron’ny tarony dia nolaingosany

ka noentiny ho any amin’ny tanin’ny mpivarotra,

eny, tany amin’ny tanànan’ny mpivaro-mandeha no nametrahany azy.

5Nanalany koa ny voan-javatra tamin’ny tany

ka namboleny tao amin’ny tany lonaka.

Noentiny ho eo amoron’ny rano betsaka iny

ka nataony araka ny fanao amin’ny hazomalahelo.

6Dia naniry iny

ka tonga voaloboka iva misandrahaka

mba hitodihan’ny rantsany ho eo amin’ilay voromahery

ary ny fotony ho ao ambaniny;

koa tonga voaloboka izy

ka nandrantsana sy nanaroka.

7Ary nisy voromahery lehibe hafa koa

nanana elatra lehibe

sady be volo,

ary indro, manina azy izany voaloboka izany

ka nampanatona ny vahany hankany aminy

sady nampanaroka ny rantsany avy tamin’ny tany voafaritra nambolena azy

mba hankany aminy koa mba holemany.

8Voavoly tao amin’ny saha tsara

teo amoron’ny rano betsaka izy

mba handrantsana

sy hamoa

ka ho voaloboka tsara indrindra.

9Lazaonao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

Ho vanona va izy?

Tsy hongotana va ny vahany

ary hotazana ny voany

mba halazo izy?

Halazo ny raviny rehetra raha vao mitsimoka

ka tsy ilàna sandry mahery

na vahoaka betsaka akory

hanongotra azy amin’ny fotony.

10Koa indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va?

Tsy halazo tokoa va izy

raha asian’ny rivotra avy any atsinanana?

Eny, halazo eo amin’ny tany voafaritra naniriany izy.

Fanazavana ilay fanoharana

11Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

12Lazao amin’ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babilona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao dia nitondra azy ho any aminy any Babilona.

13Ary naka ny iray tamin’ny taranaky ny mpanjaka izy dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin’ny tany dia noentiny nandeha,

14mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, ary hitandrina ny fanekeny mba haharitra.

15Nikomy taminy anefa izy ireo ka nandefa iraka hankany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy ka ho afa-mandositra va?

16Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy, nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny, eny, any amin’io, any Babilona, no hahafatesany.

17Ary rehefa asandratra ireo manda fanafihana sy atototra ny tovon-tany handringanana olona maro dia tsy hanampy azy amin’ny ady akory i Farao na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza izy.

18Fa nanamavo ny fianianana izy tamin’ny nivadihany ny fanekena, fa e! Efa nanaiky izy, kanefa dia izany rehetra izany no nataony ka tsy ho afa-mandositra izy!

19Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.

20Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy ka ho azon’ny haratoko izy, ary ho entiko any Babilona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.

21Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon’ny sabatra, ary izay sisa tavela dia haely ho eny amin’ny rivotra rehetra, dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany.

22Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izaho haka amin’ny rantsana avo indrindra amin’ny sedera avo ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ny laingony milenodenoka ka hamboleko ao amin’ny tendrombohitra avo sy milangalanga.

23Ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samihafa rehetra dia hitoetra ao aminy; ao amin’ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.

24Dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho TOMPO no nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva, ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho TOMPO no niteny sady nanao izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help