Jeremia 2 - Malagasy Bible Revision Version

Nahafoy ny loharanon’ny fiainana ka nihady lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano

1Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Mandehana ka miantsoa eo anatrehan’i Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO:

Tsaroako ny niraiketan’ny fonao Tamiko, fony ianao mbola tanora,

sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina,

dia ilay nanarahanao Ahy tany an-tany efitra,

teny amin’ny tany tsy mbola namafazan-javatra;

3Masina ho an’NY TOMPO ny Israely

sady santa-bokatra ho Azy;

izay rehetra nihinana azy dia nohelohina

ary loza no nanjo ireny,

hoy NY TOMPO.

4Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry taranak’i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin’ny taranak’Israely!

5Izao no lazain’NY TOMPO:

Inona moa no tsy marina hitan’ny razanareo Tamiko,

no dia nanalavitra Ahy izy

sady nanaraka zava-poana

ka nanjary zava-poana koa izy?

6Tsy mba nilaza izy hoe: Aiza NY TOMPO

izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta

sady nitarika antsika tany an-tany efitra,

dia ilay tany foana sady be lavaka,

tany karankaina sady aloky ny fahafatesana,

tany izay tsy mba nalehan’olona akory

na nonenan’olona?

7Nitondra anareo niditra tany amin’ny tany mahavokatra Aho

mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy;

kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko

sady nataonareo fahavetavetana ny lovako.

8Tsy mba niteny ny mpisorona hoe: Aiza NY TOMPO?

Ary tsy nahalala Ahy ny mpitahiry ny lalàna;

nanota Tamiko koa ny mpitondra,

ary naminany tamin’ny anaran’ny Baala* ny mpaminany

ka nanaraka ireny tsy nahavita na inona na inona ireny.

9Koa mbola hifandahatra aminareo Aho,

hoy NY TOMPO,

ary hiady amin’ny zafinareo koa.

10Fa mità ho any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima ka zahao!

Ary mandefasa iraka ho any Kedara ka diniho tsara,

dia ho hitanareo raha mba efa nisy toy izao, na tsia:

11Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va?

Nefa ireny dia tsy andriamanitra akory.

Fa ny oloko kosa dia efa nanakalo ny voninahiny

tamin’ireny tsy mahasoa ireny.

12Talanjòna amin’izany, ry lanitra!

Ary matahora ka mangorohoroa fatratra, ianareo!

Hoy NY TOMPO;

13Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko:

Efa nahafoy Ahy, loharano velona, izy

ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany,

nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.

Vahoaka izay mahafoy NY TOMPO

14Moa mpanompo va Israely? Moa mpanompo teraka tao an-trano va izy?

Koa nahoana izy no voababo?

15Hamely azy no mampierona ny liona tanora

sy amoahany feo

ka mahatonga ny taniny ho lao;

nodorana ny tanànany ka tonga tsy nisy mponina.

16Ny mponina tao Nofa sy Tapanesa aza

dia nampangadihady ny tampon-dohanao.

17Moa tsy ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao

tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana va

no nahatonga izany taminao?

18Koa inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Ejipta

hisotro ny ranon’i Sihora?

Ary inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Asiria

hisotro ny rano amin’ny ony Eofrata?

19Ny haratsianao no anafaizana anao,

ary ny fikomianao no ananarana anao;

koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy

ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao

sy ny tsy nisian’ny tahotrao Ahy,

Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.

Vahoaka mpikomy sady mpanompo sampy

20Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao

sy namahanao ny fatoranao

ka hoy ianao: Tsy hanompo intsony aho;

nefa teny amin’ny tendrombohitra avo

sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra

no nandrianao sy nijangajanganao.

21Nefa Izaho namboly anao toy ny karazam-boaloboka tsara indrindra,

dia rantsana tsara avokoa;

koa nahoana no nanjary sampany ratsy ianao,

ary tonga voaloboka hafa?

22Fa na dia misasa amin’ny sirahazo aza ianao

ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao,

ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany,

hoy NY TOMPO Andriamanitra.

23Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho,

tsy nanaraka ireo Baala* aho?

Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha,

ekeo izay nataonao,

ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,

24sy ry borikidia vavy, tamana any an-tany efitra,

izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany;

koa iza no mahasakana ny fahamaimaizany?

Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana;

fa amin’ny volana fahamaimaizany no hahitany azy.

25Mitandrema! Fa ho afaka amin’ny tongotrao ny kapanao,

ary ho maina ny tendanao;

nefa hoy ianao: Tsy manantena inona aho!

Tsia! Fa ny vahiny no tiako

ka hanaraka azy aho.

26Toy ny fangaihaizan’ny mpangalatra raha azo

dia toy izany no fangaihaizan’ny taranak’Israely,

eny, izy, ny mpanjakany, ny lehibeny,

ny mpisorony ary ny mpaminaniny,

27dia izay miteny amin’ny tapa-kazo hoe: Ianao no raiko,

ary amin’ny vato hoe: Ianao no niteraka ahy.

Fa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika ny tavako;

nefa amin’ny andro fahoriany dia hiteny indray izy hoe:

Mitsangàna ka vonjeo izahay!

28Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao ireny?

Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao;

fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao.

Malahelo Andriamanitra noho ny olony mivadika Aminy

29Nahoana no mifandahatra Amiko ianareo?

Fa samy efa nikomy Tamiko ianareo rehetra,

hoy NY TOMPO.

30Foana ny namelezako ny zanakareo,

fa tsy zaka nanarina izy;

ny sabatrareo no nandringana ny mpaminaninareo,

toy ny liona mamiravira.

31Ry taranaka ankehitriny, dinihonareo ny tenin’NY TOMPO!

Moa efa nanjary tany efitra ho an’ny Israely va Aho,

na tany maizim-pito?

Nahoana ny oloko no miteny hoe:

Afaka mikarenjy izahay

ka tsy hankany Aminao intsony?

32Hanadino ny firavany va ny virijiny,

na hanadino ny fehikibony misy haingony va ny ampakarina?

Tsy hita isa anefa ny andro

nanadinoan’ny oloko Ahy.

33Kanto izany fandehanao

hitady fitia izany

ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao.

34Ary koa eo an-tsisin-dambanao

no ahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny,

izay tsy tratranao namaky ny tranonao akory,

nefa novonoinao ka voan’ny rany ianao.

35Nefa hoy ianao:

Tsy manan-tsiny aho

ka ho afaka amiko ny fahatezerany.

Indro, hifandahatra aminao Aho

noho ny ilazanao hoe: Tsy nanota aho.

36Nahoana ianao no maimaika

hanova ny alehanao?

Fa ho menatra noho ny amin’i Ejipta koa ianao,

toy ny nahamenaranao noho ny amin’i Asiria.

37Hiala amin’izany koa ianao

ka hiloloha tanana;

fa nolavin’NY TOMPO ny zavatra maro nitokisanao

ka tsy hahomby miaraka amin’ireo ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help