Levitikosy 12 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fanadiovana ny vehivavy avy niteraka

1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

2Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy vehivavy bevohoka ka tera-dahy dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ny fadimbolany no hahalotoany.

3Amin’ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.

4Telo amby telopolo andro no hitoeran-dRavehivavy mba hadio amin’ny rany izy; tsy hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin’ny fitoerana masina mandra-pahatapitra ny andro fidiovany.

5Fa raha tera-bavy kosa izy dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ny fahalotoany amin’ny fadimbolany ihany koa, ary enina amby enimpolo andro no hitoerany mba hadio amin’ny rany izy.

6Rehefa tapitra ny andro fidiovany, na lahy na vavy no naterany, dia zanak’ondry iray izay iray taona, no halainy hatao fanatitra dorana manontolo ary voromailala, na domohina, hatao fanatitra fanadiovana, ka hoentiny eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ho eo amin’ny mpisorona ireo.

7Ary hanatitra izany eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona ka hanao fanavotana ho an-dRavehivavy dia hadio tamin’ny fandehanan’ny rany izy. Izany no lalàna ny amin’ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.

8Raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ondry dia hitondra domohina roa na voromailala roa izy; ny iray dia hatao fanatitra dorana manontolo ary ny iray kosa dia hatao fanatitra fanadiovana; dia hanao fanavotana ho an-dRavehivavy ny mpisorona ka hadio izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help