Joba 12 - Malagasy Bible Revision Version

Ny teny navalin’i Joba: Olon-dozabe ianao

1Dia namaly i Joba hoe:

2Marina ary fa ianareo ihany tokoa no olombelona

ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!

3Kanefa izaho dia mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa;

tsy latsaka noho ianareo aho;

fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?

4Tonga fihomehezan’ny sakaizako aho,

dia izaho izay niantso an’Andriamanitra ka novaliny;

eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.

5Latsa no anjaran’ny ozoim-pahoriana! Izany no hevitry ny olo-miadana;

eny, efa vonona ho an’izay mangozohozo izany.

6Mandry fehizay ny tranolain’ny mpitohatoha

ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’Andriamanitra;

eny, izay mihazona an’Andriamaniny eo an-tanany.

7Kanefa anontanio ange ny biby fa hampianatra anao izy

ary ny voromanidina fa hanambara aminao izy;

8makà saina amin’ny tany dia hampianatra anao izy;

ary ny hazandrano any an-dranomasina no hampahafantatra anao.

9Iza no tsy mahalala raha mandinika ireny rehetra ireny,

fa ny nanao izany dia ny tanan’NY TOMPO

10izay mitana ny ain’ny zavamananaina rehetra

sy ny fofonain’ny olombelona rehetra?

11Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny?

Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?

12Ao amin’ny fotsy volo ny fahendrena

ary ny fahelavelona no ahazoam-pahalalana.

13Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery.

Izy no manana fanoloran-tsaina sy fahalalana.

14Indro, izay ravany dia tsy hatsangana intsony;

izay olona hidìny dia tsy hovohana.

15Indro, mihazona ny rano Izy dia ritra iny

ary alefany indray ka manimba ny tany.

16Izy no manana hery sy tena fahendrena;

samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.

17Alàny voninahitra ny mpanolotsaina

ary ataony very saina ny mpitsara.

18Vahàny ny fanapahan’ny mpanjaka

ka sikina no ampanaoviny azy.

19Alàny voninahitra ny mpisorona

ary azerany ny mafy orina hatry ny ela.

20Koroiny ny lahatenin’ny mahay

ary esoriny ny hazavan-tsain’ny zokiolona.

21Mandrotsaka fandatsana amin’ny andriandahy Izy

ary mampiketraka ny fehikibon’ny matanjaka.

22Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina

ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ny mazava.

23Mahalehibe ny firenena Izy nefa mandringana azy koa;

mampihahaka ny firenena Izy nefa mitondra azy hody indray.

24Mahavery saina ny loholona amin’ny tany Izy

ary mampirenireny azy any amin’ny tany efitra tsy misy lalana;

25mitsapatsapa amin’ny maizina tsy misy mavaza ireo

ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help