Amosa 8 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fahitana fahefatra: Ny harona feno voankazo masaka

1Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.

2Hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy aho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy NY TOMPO tamiko:

Tonga amin’ny Israely oloko ny farany;

tsy handefitra aminy intsony Aho.

3Ho tonga fitarainana ny hira ao amin’ny tempoly amin’izany andro izany,

hoy NY TOMPO Andriamanitra.

Ho be ny faty

ka eny rehetra eny no hanipazana azy.

Mangìna re!

Ny fisolokian’ireo mpivarotra

4Mihainoa izao, ianareo izay miandry izay hitelemana ny mahantra

sy ta hanafongana ireo tsy manam-piaro eto amin’ny tany!

5Hoy ianareo: Rahoviana no ho tapitra ny maizim-pito

mba hivarotantsika vary,

ary ny Sabata mba hanokafantsika ny fitoeram-bary

ka hanakelezana ny efaha* sy hanalehibiazana ny sekela

ary hanaovana mizana mandainga,

6ka hividianantsika ny mahantra amin’ny volafotsy,

sy ny sahirana amin’ny kapan’olona iray

ary hivarotantsika ny akofam-bary?

7NY TOMPO nianiana tamin’ny reharehan’i Jakoba hoe:

Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!

8Tsy hihorohoro noho izany va ny tany?

Tsy hitomany va ny mponina rehetra ao aminy?

Eny, hisondrotra tahaka an’i Neily ny tany rehetra

ary hihena indray toy ny Neilin’i Ejipta.

Ho andro fisaonana Ny Andron’NY TOMPO

9Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra,

dia halentiko mitataovovonana ny masoandro

ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany.

10Hampodiko ho fisaonana ny andro firavoravoanareo

ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra;

hosikinako lamba fisaonana ny olona rehetra

sady hokakasako ny loha rehetra;

hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany

ka ny fiafarany dia ho tahaka ny andro mangidy.

11Indro, avy ny andro,

hoy NY TOMPO Andriamanitra,

izay handefasako mosary amin’ny tany;

tsy mosarin-tsakafo anefa,

na hetahetan-drano,

fa hetaheta handre ny tenin’NY TOMPO.

12Hivembena hatrany amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray ny olona,

hatrany avaratra ka hatrany atsinanana.

Eny, hivezivezy hitady ny tenin’NY TOMPO izy

nefa tsy hahita.

13Amin’izany andro izany dia ho malemy noho ny hetaheta

ny tovovavy tsara tarehy sy ny tovolahy,

14dia ireo izay mianiana amin’ny helok’i Samaria

ka miteny hoe: Raha velona koa ny andriamanitrao, ry Dana!

Raha velona koa ny fanaon’i Bery-Sheba!

Ho lavo anefa izy ireo ka tsy hiarina intsony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help