Jona 2 - Malagasy Bible Revision Version

Ny vavaka nataon’i Jona

1Ary NY TOMPO nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary i Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano nandritra ny telo andro sy telo alina.

2Dia nivavaka tamin’NY TOMPO Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano i Jona.

3Hoy izy:

Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho

dia namaly ahy Izy;

avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty* no nitarainako

dia nihaino ny feoko Ianao.

4Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao amin’ny ranomasina,

ka voasafotry ny riaka aho;

nanarona ahy ny alondranonao sy ny onjanao rehetra.

5Dia hoy aho:

Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho!

Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.

6Nanarona ahy hatramin’ny aiko ny rano,

nanemitra ahy manodidina ny lalina;

nisaringotra manodidina ny lohako ny zavamaniry any an-dranomasina.

7Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho;

nanidy ahy mandrakizay ny hidin’ny tany;

nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao,

RY TOMPO Andriamanitro!

8Raha reraka ny fanahiko tato anatiko

dia nahatsiaro NY TOMPO aho.

Tonga tao Aminao ny vavaka ataoko,

dia tao amin’ny tempolinao masina.

9Izay mivavaka amin’ny sampy

dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy;

10fa izaho kosa dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao,

ary izay nivoadiako dia hefaiko.

An’NY TOMPO ny famonjena.

11Ary NY TOMPO nandidy ilay hazandrano ka naloany ho eny amin’ny tany maina i Jona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help