Hosea 2 - Malagasy Bible Revision Version

Handray ny olony indray Andriamanitra

1Kanefa, na izany aza, ny isan’ny Zanak’Israely

dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina

izay tsy azo afàtra sady tsy tambo isaina;

ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe:

Tsy oloko ianareo,

dia any no hilazana aminy hoe:

Zanak’Andriamanitra velona ianareo!

2Dia hiara-mivory ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely

ka hifidy iray ho lohany izy ireo,

ary hisondrotra ambony eo amin’ny tany;

fa ho lehibe ny andron’i Jezirela.

3Milazà amin’ny rahalahinareo hoe Amỳ!

ary amin’ny anabavinareo hoe Rohama!

Israely mpijangajanga

4Mifandahara amin’ny reninareo; eny, mifandahara

fa tsy vadiko izy,

ary tsy vadiny Aho!

Aoka hesoriny hiala eo amin’ny tavany ny fijejojejoany

ary tsy ho eo an-tratrany ny fijangajangany!

5Fandrao hampihanjahanjaiko izy

ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany,

hataoko toy ny tany efitra izy

sy toy ny tany karankaina.

Eny, hataoko matin-ketaheta izy;

6tsy hamindra fo amin’ny zanany Aho

satria zanaky ny fijangajangana ireny.

7Nijangajanga ny reniny;

eny, ilay torontoronina azy dia nanao izay mahamenatra;

fa hoy izy hoe: Hanaraka ireo lehilahiko ihany

izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko,

ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko

ary ny diloiloko sy izay hosotroiko, aho.

8Koa indro, hotampenako ny lalanao,

hasiako tsilo

sady hasiako fefy.

Dia tsy hahita izay lalan-kalehany intsony izy.

9Hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy

nefa tsy hahatratra azy;

eny, hitady ireo lehilahiny ireo izy nefa tsy hahita;

dia hiteny izy hoe:

Handeha hody amin’ny vadiko taloha aho;

fa sambatra kokoa aho tamin’izany noho ny ankehitriny.

10Tsy fantany

fa Izaho no nanome azy

ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.

Nataoko betsaka ny volafotsiny sy ny volamenany,

kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’ny Baala* izany!

11Noho izany dia hiverina Aho

haka indray ny variko amin’ny androny

sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany,

hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko

izay nomena hasarony ny fitanjahany.

12Ankehitriny dia hasehoko

eo imason’ireo lehilahiny ny fahamenarany

ka tsy hisy hahafaka azy amin’ny tanako.

13Hatsahatro ny fifaliany rehetra,

dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany;

eny, ny fotoam-piravoravoany rehetra.

14Hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny

izay nolazainy hoe:

Karama maloto avy tamin’ireo lehilahiko ireto!

Hataoko ho tonga kirihitra ireny

ka hohanin’ny bibidia.

15Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala

izay efa nandoroany ditin-kazo manitra

sady niravahany ny perany sy ny firavany.

Nanaraka ireo lehilahiny izy

fa Izaho kosa dia nohadinoiny,

hoy NY TOMPO.

Ta hahazo ny fon’ny olony indray Andriamanitra

16Koa indro, hitaona azy Aho

ka hitondra azy ho any an-tany efitra

ary hanao teny malefaka aminy.

17Avy any dia homeko azy ny tanim-boalobony

sy ny lohasaha Akora

mba ho varavaran’ny fanantenana.

Any no hamaliany Ahy toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany,

toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.

18Amin’izany andro izany Aho,

hoy NY TOMPO,

dia hantsoinao hoe Vadiko,

fa tsy hantsoinao intsony hoe Baalako.

19Hesoriko amin’ny vavany ny anaran’ireo Baala*

ka tsy hotsarovana amin’ny anarany intsony ireo.

20Amin’izany andro izany dia hanao fanekena ho azy Aho,

miaraka amin’ny bibidia

sy ny voromanidina eny amin’ny lanitra

ary ny biby mandeha amin’ny tany.

Hotapatapahiko tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady

ka hataoko mandry fehizay ny olona.

21Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao;

eny, hofofoiko ho vadiko marina tokoa

ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo.

22Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao

ka hahalala NY TOMPO.

23Amin’izany andro izany dia hamaly Aho,

hoy NY TOMPO;

eny, hamaly ny lanitra Aho

ary izy kosa dia hamaly ny tany;

24ny tany dia hamaly ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo,

ary ireo kosa dia hamaly an’i Jezirela.

25Hamafy amin’ny tany ho Ahy Aho

sady hamindra fo amin’i Lo-Rohama

ary hiteny amin’i Lo-Amỳ hoe: Oloko ianao!

Ary hiteny kosa izy hoe: Andriamanitro Ianao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help