Mpitoriteny 12 - Malagasy Bible Revision Version

Mananontanona ny fahafatesana

1Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andron’ny fahatanoranao,

dieny tsy mbola tonga ny andro mahory

ary tsy mbola mihatra ny taona izay hilazanao hoe: Tsy sitrako izao;

2dieny tsy mbola mihamaizina ny masoandro sy ny fahazavana

ary ny volana sy ny kintana,

ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona rehefa avy nilatsaka ny ranonorana;

3fa amin’izay dia hangovitra ny mpiandry trano

ary hanjoko ny lehilahy matanjaka,

hitsahatra ny mpanompovavy mikoso-bary, satria efa vitsy ireo

ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eny am-baravarankely;

4hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe

rehefa mihamalemy ny feon’ny fikosoham-bary;

ho taitra ny olona raha vao maneno ny voronkely

ary tsy hahaloa-peo ny zazavavy mpihira rehetra;

5hatahorana ny toerana avo,

fa toa misy zava-mahatahotra eny an-dalana; hamony ny hazo amanda,

ny valala dia ho tonga mavesatra, ny voan-tsimperifery tsy hanan-kery intsony

fa mandroso ho any amin’ny tranony mandrakizay ny olona

ary ireo mpitomany dia mandehandeha eny an-dalambe;

6dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy,

tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo,

tsy mbola potika ny siny eo an-doharano,

ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka fantsakana.

7Fa amin’izany ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo aloha

fa ny fanahy kosa dia hiverina amin’Andriamanitra izay nanome izany.

8Tena zava-poana, hoy i Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

Teny farany

9Ary izao koa, satria hendry i Mpitoriteny

dia nampianatra ny olona fahalalana izy;

eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra tenim-pahendrena maro izy.

10Nikaroka i Mpitoriteny mba hahita teny mahafinaritra;

ary izay tena izy no voasorany, dia teny azo antoka.

11Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronana

ary toy ny tsatòka natsangan’ireo mpanangona tenim-pahendrena.

Fanomezana avy amin’ny mpiandry tokana izany.

12Ankoatra izany, anaka, minoa anatra;

fa tsy misy farany ny manao boky maro

ary manasatra ny tena ny fianarana be.

13Rehefa re izany rehetra izany dia izao no teny farany:

Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo,

fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.

14Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zavamiafina tsy an-kanavaka,

na soa na ratsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help