1Ary NY TOMPO mbola niteny tamin’i Joba hoe:
2Hiady amin’ny Tsitoha va io mpanohitra Azy io?
Aoka ny mpananatra an’Andriamanitra no hamaly!
3Ary namaly NY TOMPO i Joba hoe:
4Indro, tsinontsinona aho,
koa inona no azoko avaly Anao?
Hitampim-bava aho izao.
5Efa niteny indray mandeha aho ka tsy hamaly intsony;
eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
Mihevi-tena ho Andriamanitra va i Joba?6Dia niteny tamin’i Joba teo amin’ny tafio-drivotra NY TOMPO hoe:
7Misikìna tahaka ny lehilahy;
fa hanadina anao Aho ka hampianatra Ahy ianao.
8Hanaisotra ny fahamarinana Amiko tokoa va ianao?
Hanameloka Ahy va ianao mba hanamarinana ny tenanao kosa?
9Manan-tsandry tahaka ny an’Andriamanitra va ianao?
Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
10Miravaha fahamboniana sy rehareha ianao
ary mitafia famirapiratana sy voninahitra!
11Avelao hihanaka ny fahatezeranao mirehitra;
jereo ny mpiavonavona rehetra ka ampietreo!
12Eny, jereo ny mpiavonavona rehetra ka aongany!
Hoseo eo amin’ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
13Asitriho ao amin’ny vovoka avokoa izy rehetra;
sarony ao amin’ny maizina ny tavany!
14Fa Izaho kosa dia hidera anao
satria mahavonjy anao ny tananao havanana.
Ny behemota15Indro ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany!
Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
16Indro, ao amin’ny andilany ny heriny
ary ao amin’ny ozatra amin’ny kibony ny tanjany.
17Henjaniny ho tahaka ny hazo sedera ny rambony,
mifaniditriditra ny ozatra amin’ny feny.
18Ny taolany dia tahaka ny fantsona varahina;
eny, tahaka ny anjam-by ny taolany.
19Voalohany amin’ny asan’Andriamanitra izy;
ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
20Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra
izay ilalaovan’ny bibidia rehetra;
21eo ambanin’ny hazo lota no andriany,
any am-pierena anaty zozoro sy honahona.
22Manalokaloka azy ny hazo lota
ary ny hazomalahelo eny amoron’ny ony no manodidina azy.
23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy;
matoky izy na dia migorodana amin’ny vavany aza ny Jordana.
24Moa misy mahasambotra azy va raha mihiratra ny masony?
Raha azon’ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
Leviatana25Mahasarika an’i leviatana* amin’ny fintana va ianao,
na mahafatotra ny lelany amin’ny mahazaka?
26Mahisy tady zozoro amin’ny orony va ianao,
na mahaboroaka ny valanoranony amin’ny farango?
27Hifona injato aman’arivo aminao va izy
na hanao teny malefaka aminao?
28Hanao fanekena aminao va izy?
Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
29Hilalao azy tahaka ny filalao voronkely va ianao?
Ary hamatotra azy ho an’ny zazavavy kely ao aminao va ianao?
30Hataon’ny mpaka hazandrano varotra va izy
ka hotsinjarainy amin’ny mpivaro-mandeha?
31Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao
na firombaka amin’ny lohany?
32Atehefo aminy ange ny tananao:
Raha tsaroanao ny ady dia tsy hanindroa intsony ianao!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.