1Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,
ary hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
bet ב2Hankalaza Anao isanandro aho
ary hidera ny anaranao mandrakizay doria.
gimel ג3Lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra;
tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.
dalet ד4Ny taranaka rehetra dia samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy
sy hanambara ny asanao lehibe.
he ה5Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao
sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
vav ו6Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona
ary ny fahalehibiazanao no hotantaraiko.
zaìn ז7Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy
ary hihoby ny fahamarinanao.
het ח8Mamindra fo sy miantra NY TOMPO,
mahari-po sady be famindrampo Izy.
tet ט9Manisy soa ny rehetra NY TOMPO
ary ny fiantrany dia eny amin’ny asany rehetra.
iod י10TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra
ary misaotra Anao ny olonao masina.
kaf כ11Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy
sady miresaka ny herinao
lamed ל12mba hampahafantarana ny zanak’olombelona ny herinao
sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao.
mem מ13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao
ary hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahefanao.
non נ14NY TOMPO manohana izay rehetra lavo
ary mampitraka izay rehetra mitanondrika.
samek ס15Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao
ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao.
aìn ע16Manokatra ny tananao Ianao
ka mahavoky soa ny zavamananaina rehetra.
pe פ17Marina NY TOMPO amin’ny lalany rehetra,
sady mamindra fo amin’ny asany rehetra.
tsade צ18NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy,
dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
kof ק19Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy
ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
sin ש20Miaro izay rehetra tia Azy NY TOMPO,
fa ny ratsy fanahy rehetra kosa dia haringany.
tao ת21Ny fiderana NY TOMPO no hotenenin’ny vavako;
ary aoka hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria ny nofo rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.