Salamo 64 - Malagasy Bible Revision Version

Nafahana tamin’ny fiampangan’ny fahavaloHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô!

Arovy ny aiko amin’ny tahotro ny fahavalo!

2Afeno aho tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy

sy ny fitabataban’ny mpanao ratsy

3izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra

ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy,

4mba hitifirany mangingina ny mahitsy fo;

mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra akory.

5Mifampirisika amin’ny teti-dratsiny izy;

mifampitaona hanao fandri-totofana izy

ka miteny hoe: Iza no hahita izany?

6Mamorona teti-dratsy izy:

Efa vonona izao ny tetika!

Hady lalina ny ao anatin’ny olombelona, dia ny fony.

7Mitifitra azy amin’ny zana-tsipìka anefa Andriamanitra;

tampoka toy ny fiantefan’ny zana-tsipìka no fahavoazany.

8Apotrany izy ka ny lelany ihany no nahasingotra azy;

mihifikifi-doha izay rehetra mahita azy.

9Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny asan’Andriamanitra

sady mandinika tsara ny ataony.

10Mifaly amin’NY TOMPO ny marina ka mialoka Aminy;

eny, hirehareha amin’izany ny mahitsy fo rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help