Romana 10 - Malagasy Bible Revision Version

1Ry rahalahy, ny fanirian’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireny dia ny mba hahavoavonjy azy.

2Satria vavolombelon’ireny aho, fa manana hafanam-po ny amin’Andriamanitra izy saingy tsy araka ny fahalalana.

3Eny, tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hampiorina fahamarinana ho an’ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.

4Ny faran’ny lalàna anefa dia Kristy, ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino.

Teny sy finoana ary famonjena

5Fa i Mosesy dia nanoratra nilaza fa ny olona izay manao ny fahamarinana avy amin’ny lalàna no ho velona amin’izany (Lev 18.5).

6Ny fahamarinana izay avy amin’ny finoana kosa dia milaza hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra? Izany hoe ny hampidina an’i Kristy* avy any izany,

7na: Iza no hidina any amin’ny lalina? Izany hoe ny hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty izany.

8Fa ahoana no lazainy? «Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao» (Deo 30.12-14), dia ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay izany.

9Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.

10Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.

11Fa hoy ny Soratra Masina: «Tsy hitsanga-menatra izay rehetra mino Azy» (Isa 28.16).

12Fa tsy misy hafa na Jiosy* na Jentilisa*, fa iray ihany ny Tompon’izy rehetra, sady manankarena homena izay rehetra miantso Azy Izy.

13Satria «Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena» (Joe 3.5).

14Hataony ahoana moa no fiantso izay tsy ninoany? Hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?

15Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: «Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!» (Isa 52.7).

16Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny Filazantsara. Fa hoy Isaia: «TOMPO ô, iza no nino izay henony taminay?» (Isa 53.1).

17Koa ny finoana dia avy amin’izay henoina, ary izay henoina kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy.

18Fa hoy aho: Sao tsy nahare izy? Tsia,

«Efa nivoaka ho any amin’ny tany manontolo ny feony

ary ny teniny dia hatramin’ny faran’izao rehetra izao» (Sal 19.4).

19Fa hoy aho: Sao tsy nahalala ary ny Israely? I Mosesy no voalohany niteny hoe:

«Hampialona anareo an’izay tsy firenena Aho,

amin’izay firenena adala no hampahasosorako anareo» (Deo 32.21).

20Fa sahy mihitsy Isaia ka nilaza hoe:

«Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho

ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.»

21Fa ny amin’ny Israely dia hoy izy:

«Mandritra ny andro no efa nanatsorako ny tanako tamin’izay firenena

sady tsy mankatò no mandà» (Isa 65.1-2).

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help