Zakaria 14 - Malagasy Bible Revision Version

Ny ady farany sy ny fiavian’NY TOMPO

1Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy,

koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao.

2Ary hangoniko ny Jentilisa* rehetra

hamely an’i Jerosalema,

dia ho azony ny tanàna

ka horobaina ny trano

ary hisy hanolana ny vehivavy;

ny antsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo,

fa ny vahoaka sisa

dia tsy hofongorana amin’ny tanàna.

3Dia ho avy NY TOMPO

ka hiady amin’ireny Jentilisa ireny,

tahaka ny fameliny amin’ny andron’ny ady.

4Amin’izany andro izany ny tongony

dia hijoro eo amin’ny Tendrombohitra Oliva

izay manatrika an’i Jerosalema eo atsinanana;

ary ny Tendrombohitra Oliva dia hitresaka eo afovoany,

hiantsinanana sy hiankandrefana

ka hisy lohasaha lehibe;

ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra,

fa ny antsasany kosa dia hianatsimo.

5Dia handositra hamaky ny lohasahan’ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela izany lohasahan’ny tendrombohitra izany; eny, handositra ianareo, tahaka ny nandosiranareo ny horohoron-tany tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’i Joda.

Ary ho avy NY TOMPO Andriamanitro

mbamin’ny masina rehetra momba Azy.

6Ary amin’izany andro izany

dia tsy hisy mazava,

ary ireo mamirapiratra dia tsy hiseho intsony.

7Ary hisy andro iray

izay fantatry NY TOMPO,

tsy andro na alina;

nefa raha hariva ny andro dia hisy mazava.

8Amin’izany andro izany

dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema,

koa ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina atsinanana

ary ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina andrefana;

na amin’ny fahavaratra

na amin’ny ririnina dia hisy izany.

9Ary NY TOMPO dia ho Mpanjakan’ny tany rehetra;

amin’izany andro izany

NY TOMPO dia ho tokana,

sady ho tokana ny anarany.

10Ho tonga tahaka ny tany ngazana ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’i Jerosalema. Fa i Jerosalema kosa dia hasandratra sy hijanona eo amin’ny toerany ihany, hatramin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatramin’ny vavahady voalohany, hatramin’ny vavahady an-jorony ary hatramin’ny tilikambo fiambenana Hananela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.

11Dia hisy mponina any

ary tsy hisy ozona intsony,

fa Jerosalema dia handry fehizay.

12Ary izao no areti-mandringana hamelezan’NY TOMPO ny firenena rehetra izay nanafika an’i Jerosalema: Hataony miha lò am-pitsanganana ny nofony ary hiha lò ao amin’ny lavaka fitoerany ny masony ary ny lelany koa hiha lò ao am-bavany.

13Amin’izany andro izany

NY TOMPO dia hahatonga

fifanaritahana lehibe eo aminy,

ary hifampihazona izy,

sady samy hanainga tanana hifamely.

14Ary ny Joda koa dia hiady any Jerosalema

ary hovorina ny harenan’ny firenena manodidina rehetra,

dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.

15Ary ny areti-mandringana dia hamely koa ny soavaly, ny ampondra, ny rameva ary ny boriky mbamin’ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ireny toby ireny; izany areti-mandringana izany dia ho tahaka ilay iray koa.

16Ary ny sisa rehetra amin’ny Jentilisa rehetra izay niakatra namely an’i Jerosalema

dia hiakatra isan-taona isan-taona

hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

ka hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.

17Ary na iza na iza amin’ny firenena samihafa amin’ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia tsy hisy ranonorana mirotsaka aminy.

18Ary raha ny firenen’i Ejipta no tsy mba miakatra ka tsy tonga dia tsy hisy ranonorana hirotsaka aminy koa, sady ho tonga aminy ny areti-mandringana izay hamelezan’NY TOMPO ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana amin’ny trano rantsan-kazo.

19Izany no fampijaliana an’i Ejipta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.

20Amin’izany andro izany dia hosoratana eo amin’ny lakolosy kely amin’ny soavaly hoe: «NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO». Ary ny vilany ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ny alitara.

21Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy i Joda dia hohamasinina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ireny ka hahandro izany. Amin’izany andro izany dia tsy hisy mpivarotra intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help