Joba 4 - Malagasy Bible Revision Version

Ny teny voalohany nataon’i Elifaza: Sambatra ny olona izay anarin’Andriamanitra!

1Dia nandray fitenenana i Elifaza temanita hoe:

2Raha misy sahy miteny aminao dia ho sosotra va ianao?

Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no hahavita izany?

3Indro, efa nananatra ny maro ianao

ary ny tanana miraviravy dia efa nampaherezinao;

4efa nanohana izay efa saika lavo ny teninao

ary efa nampatanjahinao ny lohalika malemy.

5Nefa ankehitriny, mba manjo anao izany dia kivy ianao!

Mihatra aminao izany ka raiki-tahotra ianao!

6Tsy ny fivavahanao va no tokinao?

Ary tsy ny fahitsian’ny lalanao va no fanantenanao?

7Miangavy anao aho, tsarovy

fa iza moa no very tsy nanan-tsiny?

Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?

8Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka

sy mamafy fahoriana no mijinja izany;

9ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy;

eny, ny fofonain’ny fahatezerany no mandevona azy.

10Ny fieron’ny liona; eny, ny feon’ny liona masiaka

ary ny nifin’ny liona tanora dia tapaka;

11maty ny liona noho ny tsy fahitany remby

ary mihahaka ny zanaky ny liom-bavy.

12Nisy teny tonga tamiko mangingina

ary ny sofiko dia nahare siosio avy taminy,

13tamin’ny eritreritra avy amin’ny tsindrimandry alina,

raha sondrian-tory ny olona,

14dia azon-tahotra sy hovitra aho

ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany;

15nisy tso-drivotra nandalo teo amin’ny tavako

ka nampitsangam-bolo ny tenako.

16Nijanona izy nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho;

nisy endri-javatra teo anoloan’ny masoko;

nisy fahanginana, dia nandre feo aho hoe:

17Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’olombelona?

Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?

18Indro, na ireo mpanompony aza dia tsy itokiany;

eny, ireo irany aza dia ahitany fahadisoana,

19koa mainka izay mitoetra amin’ny trano tanimanga

sady avy tamin’ny vovoka no niaviany

ary mora poretina noho ny kalalao izy!

20Indray andro monja dia montsana izy;

tsy misy misaina azy na dia levona mandrakizay aza izy.

21Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy?

Maty tao amin’ny tsy fananana fahendrena izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help