Salamo 124 - Malagasy Bible Revision Version

Raha tsy NY TOMPO no nomba antsika...Hira fanao amin’ny fiakarana. Nataon’i Davida.

1Raha tsy NY TOMPO no nomba antsika;

eny, aoka holazain’ny Israely hoe:

2Raha tsy NY TOMPO no nomba antsika,

raha nitsangana hamely antsika ny olona,

3dia ho nitelina antsika velona izy;

raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany

4dia ho nandifotra antsika ny rano

ary nanafotra antsika ny riaka;

5eny, ho nanafotra antsika

ny rano misafoaka.

6Isaorana anie NY TOMPO

izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ny nifiny.

7Isika dia afa-nandositra tahaka ny vorona afaka tamin’ny fandriky ny mpihaza;

tapaka ny fandrika ka afaka isika.

8Ny famonjena antsika dia amin’ny anaran’NY TOMPO,

Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help