1 Haleloia*.
Miderà NY TOMPO avy any an-danitra,
miderà Azy, ianareo any ambony.
2Miderà Azy, ry anjeliny rehetra;
miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
3Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana;
miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
4Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra,
ary ianareo rano any ambonin’ny lanitra.
5Aoka hidera ny anaran’NY TOMPO ireo,
fa Izy no nandidy dia ary ireo.
6Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy;
nomeny lalàna ireo ka tsy hihoatra izany.
7Miderà NY TOMPO avy etỳ an-tany.
Ianareo dragona* sy ianareo rano lalina rehetra,
8ny afo sy ny havandra, ny orampanala sy ny zavona,
ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
9ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra,
ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
10ny bibidia sy ny biby fiompy rehetra,
ny biby mandady na mikisaka ary ny voromanidina,
11ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra,
ny mpitondra sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany,
12na ny zatovolahy na ny zatovovavy,
na ny antitra na ny tanora,
13samia midera ny anaran’NY TOMPO avokoa
fa ny anarany ihany no misandratra;
ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
14Ary manandratra tandroka* ho an’ny olony Izy,
dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra;
eny, ho an’ny Zanak’Israely, firenena akaiky Azy.
Haleloia.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.