1Hoy aho:
Mihainoa re ianareo, ry loholon’i Jakoba
sy ianareo mpanapaka ny taranak’Israely.
Tsy anjara raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
2Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy,
izay manendaka ny hoditry ny olona
sy ny nofony amin’ny taolany;
3eny, ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa
sady manendaka ny hodiny
ary manapotipotika ny taolany;
eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy,
dia toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.
4Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo
dia tsy hihaino azy Izy;
hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany,
ho valin’ny ratsy nataony.
Teny mamely ireo mpaminany izay mampivily lalana ny Israely5Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpaminany
izay mampaniasia ny oloko:
Rehefa misy zavatra hotsakoiny
dia mitory fiadanana izy,
fa izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa
dia iantsoany ady masina!
6Koa izany no hahatongavan’ny alina aminareo ka tsy hisy fahitana intsony,
ary koa ny maizina aminareo ka tsy hisy fanandroana intsony;
fa hilentika tsy hanazava ireny mpaminany ireny ny masoandro
ary ho maizina aminy ny andro.
7Ho menatra ny mpahita
ary hangaihay ny mpanao fanandroana;
eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra
satria tsy misy valinteny avy amin’Andriamanitra.
8Fa izaho kosa dia feno hery
avy amin’ny Fanahin’NY TOMPO,
mbamin’ny rariny sy fahasahiana
mba hanambara amin’i Jakoba ny helony
sy hilaza amin’Israely ny fahotany.
Ny fanambaràn’i Mika ny haharavan’i Jerosalema9Mba mihainoa izao, ianareo loholon’ny taranak’i Jakoba
sy mpitondra eo amin’ny taranak’Israely,
dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana
sy mamadika ny hitsiny rehetra,
10ianareo izay manangana an’i Ziona* amin’ny fandatsahan-dra,
sy i Jerosalema amin’ny faharatsiana.
11Mitsara hahazoany kolikoly ny mpifehiny,
mampianatra hahazoany karama ny mpisorony
ary manao fanandroana hahazoany vola ny mpaminany;
nefa NY TOMPO mbola iankinany ihany ka hoy izy ireo hoe:
Tsy ato amintsika va NY TOMPO?
Tsy hisy loza hanjo antsika.
12Koa hasaina toy ny tanimboly i Ziona noho ny nataonareo,
ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato,
ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana rakotra ala.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.