Isaia 2 - Malagasy Bible Revision Version

Hirohotra ho any Jerosalema ny firenena rehetra

1Ny tenin’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’izay hitany momba ny Joda sy i Jerosalema.

2Izao no ho tonga any am-parany:

Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO

dia ho tafaorina eo an-tampon’ny tendrombohitra,

ary hasandratra ho avo noho ny havoana,

ary ny firenena rehetra no hitanjozotra hankany.

3Eny, olona marobe no hiainga ka hiteny hoe:

Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO,

any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba!

Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany,

sy handehanantsika amin’izay tokony haleha.

Fa avy any Ziona* no hivoahan’ny lalàna,

ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.

4Ho mpitsara ny firenena Izy

ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro.

Dia hanefy ny sabany ho angady ireny,

ary ny lefony ho hetim-boaloboka;

ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa

na hianatra ady intsony.

5Ry taranak’i Jakoba,

avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’NY TOMPO!

Ny Andron’NY TOMPO, andro fitsarana

6Fa efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Ianao

satria feno ny fanaon’ny avy any atsinanana

izay mpanandro tahaka ny Filistina izy

sady nanao fanekena tamin’ny zana-bahiny;

7feno volafotsy sy volamena ny taniny,

tsy hita lany ny harenany,

feno soavaly ny taniny

ary tsy hita isa ny kalesy fitondrany miady.

8Feno andriamanitra tsy izy ny taniny;

eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany,

dia eo anoloan’izay nataon’ny rantsantanany;

9Koa hatao mitanondrika ny zanak’olombelona

ary haetry ny olona;

nefa aza mamela ny helony Ianao!

10Midira ao amin’ny vatolampy

ary miere ao amin’ny vovoka

noho ny tahotra NY TOMPO

sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

11Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry

ary ny fiavonavonan’ny olona dia hatao mitanondrika;

fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany.

12Satria misy Andron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

hitsarana izay mpiavonavona sy mpirehareha rehetra

mbamin’izay misandratra rehetra ka hanetrena ireny,

13dia ny sedera rehetra any Libanona izay avo sady manerinerina,

ny hazo oaka rehetra any Basana,

14ny tendrombohitra avo rehetra,

ny havoana manerinerina,

15ny tilikambo fiambenana miringiringy rehetra,

ny manda mafy rehetra,

16ny sambon’i Tarsisy rehetra

ary ny taozavatra tsara tarehy rehetra.

17Hatao mitanondrika ny fireharehan’ny zanak’olombelona,

ary ny fiavonavonan’ny olona dia haetry;

Fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany.

18Ny andriamanitra tsy izy dia ho foana avokoa.

19Hiditra any amin’ny zohy ao amin’ny lavabato

sy any amin’ny lavaka feno vovoka ny olona

noho ny tahotra NY TOMPO

sy ny voninahitry ny fahalehibiazany,

rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

20Amin’izany andro izany dia harian’ny olona

ho an’ny voalavo sy ny ramanavy

ny andriamanitra volafotsiny

sy ny andriamanitra volamenany

izay nataony hiankohofany eo anatrehany;

21hiditra amin’ny triatra amin’ny vatolampy

sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy,

noho ny tahotra NY TOMPO

sy ny voninahitry ny fahalehibiazany,

rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

22Mitsahara fa aza mitoky amin’ny olombelona,

fofonaina ihany no eo am-bavorony,

koa zinona moa izy?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help