1Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Mika morastita tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’i Joda, dia ilay hitany ny amin’i Samaria sy i Jerosalema.
Miampanga ny olony NY TOMPO2Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra.
Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy.
Aoka NY TOMPO Andriamanitra
no ho vavolombelona hanameloka anareo,
dia NY TOMPO, avy ao amin’ny tempoliny masina.
3Fa indro, NY TOMPO miala avy ao amin’ny fitoerany
ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany.
4Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra,
ary mivava ny lohasaha,
tahaka ny savoka taninin’ny afo
sy tahaka ny rano mivarina any amin’ny hantsana.
5Izany rehetra izany dia noho ny fahadisoan’i Jakoba
sy ny fahotan’ny taranak’Israely.
Iza no nahadiso an’i Jakoba?
Tsy i Samaria va?
Ary iza no toerana fanaovana soron’i Joda?
Tsy i Jerosalema va?
6Koa i Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha
sy tany fambolem-boaloboka;
havariko ho any an-dohasaha ny vatony
ka haharihariko ny fanorenany.
7Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra,
ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra
sady hofoanako ny sampiny rehetra
satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny,
ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy.
Tomany ny amin’ny tanàna ao Joda8Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako
ka hahatonga ahy handeha tsy mikiraro sady mitanjaka;
hikaonkaona toy ny amboadia aho
ary hikiakiaka toy ny aotirisy.
9Fa tsy azo sitranina ny ferin’i Samaria;
mihatra amin’i Joda izany
ary mahatratra ny vavahadin’ny oloko aza, dia any Jerosalema.
10Aza ambaranareo any Gata izany
ary aza mitomany akory!
Mihosinkosina vovoka ao Bety-Le-afra aho.
11Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira.
Tsy mivoaka ny trano ny mponina ao Zanàna;
misaona ny ao Bety-Haezela ka tsy hanohana anareo intsony.
12Mitaintaina ny amin’ny soa ho azy ny mponina ao Marota
satria loza no nidina avy tamin’NY TOMPO ho ao am-bavahadin’i Jerosalema.
13Fehezo amin’ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy fitondra miady, ry mponina ao Lakisy!
Niandohan’ny fahotan’i Ziona* zanakavavy iny,
fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ny Israely.
14Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’i Moreseta-Gata;
ranotrambo ho an’ny mpanjakan’ny Israely ireo tranon’i Akziba.
15Mbola hitondrako olon-kafa izay handova anao ianao,
ry mponina ao Maresa;
ho tonga hatrany Adolama ny voninahitr’Israely.
16Miheteza sy mikakasa
noho ireo zanakao maminao.
Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ny vaotoro
fa lasan-ko babo lavitra anao izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.