Jeremia 9 - Malagasy Bible Revision Version

Manjaka hatraiza hatraiza ny lainga

1Enga anie aho ka hahita fitoerana any an-tany efitra tahaka ny olona mpandeha lavitra!

Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy

satria mpijangajanga avokoa izy rehetra,

eny, mpivadika miray tetika izy ireo.

2Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy

mba handefa lainga.

Ary tsy tamin’ny fahamarinana

no nahazoany hery etỳ ambonin’ny tany;

fa mandroso amin’ny ratsy kokoa hatrany izy

ary tsy mba fantany Aho,

hoy NY TOMPO.

3Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo

ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza;

fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa

ary ny namana rehetra dia mandehandeha manaratsy olona.

4Samy mamitaka ny namany avy izy rehetra

ka tsy misy milaza ny marina;

mampianatra ny lelany handainga izy

ary manasa tena amin’ny fanaovan-dratsy.

5Ny fonenanao dia ao anatin’ny fitaka;

fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy,

hoy NY TOMPO.

6Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho;

fa ahoana no hataoko manoloana ny oloko zanakavavy?

7Zana-tsipìka mahafaty ny lelany

fa miteny fitaka;

raha amin’ny vavany dia miteny fihavanana amin’ny namany izy,

kanjo ny ao anatiny kosa dia manao otri-po.

8Tsy hovaliko va izy amin’izany zavatra izany?

Hoy NY TOMPO;

tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?

Ny fotoanan’ny fitomaniana

9Noho ny amin’ny tendrombohitra

no hitomaniako sy hidradradradrako,

ary noho ny amin’ny kijana any an-tany efitra

no hanaovako hira falahelovana,

satria may izy

ka tsy misy olona mandeha eo intsony,

ary tsy re intsony ny feon’ny andian’ondry,

ary na ny voromanidina na ny biby

dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.

10Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato

sy fonenan’ny amboadia;

ary ny tanànan’ny Joda dia hataoko lao

tsy hisy mponina.

11Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao?

Iza no efa nitenenan’ny vavan’NY TOMPO mba hanambara izao?

Fa nahoana no noravana ny tany

sady may ho toy ny tany efitra ka tsy misy olona mandeha eo intsony?

12Ary hoy NY TOMPO: Satria nahafoy ny lalànako izay nataoko teo anoloany izy; satria tsy nihaino ny feoko izy ary tsy nankatò izany,

13fa nandeha araka ny ditran’ny fony sy nanaraka ireo Baala* araka izay nampianarin’ny razany azy,

14dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity ary hampisotroiko rano misy poizina.

15Haeliko any amin’izay Jentilisa* tsy fantany na fantatry ny razany izy; ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.

16Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Mihevera tsara

ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana ireny

mba ho avy;

eny, ampanantsoy ireny vehivavy mahay ireny

mba ho tonga.

17Ary asaivo tonga haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika

mba hampijohy ny ranomasontsika

sy handatsaka ny ranomaso avy amin’ny hodimasontsika.

18Fa misy feo midradradradra re avy any Ziona* hoe:

Indrisy! Rava isika;

afa-baraka indrindra isika

satria tsy maintsy mamoy ny tany

fa efa narodana ny trano nitoerantsika.

19Nefa mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo vehivavy,

ary aoka hohenoin’ny sofinareo ny tenin’ny vavany

ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo,

ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.

20Fa efa nananika ny varavarankelintsika ny fahafatesana

ka niditra tao an-dapantsika

mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe,

ary ny zatovo tsy ho eny amin’ny kianja malalaka.

21Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO:

Hiampatrampatra ny fatin’ny olona

ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha

sy tahaka ny amboara nilaozan’ny mpijinja,

izay tsy misy manangona azy.

Ny tena fahendrena: Ny mahafantatra NY TOMPO

22Izao no lazain’NY TOMPO:

Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny,

aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny,

aoka ny manankarena tsy hirehareha amin’ny hareny.

23Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao:

Dia ny ananany fahendrena

sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO

izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany;

fa izany no sitrako,

hoy NY TOMPO.

Loza ho an’ireo voafora sandoka

24Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora,

25dia i Ejipta, i Joda, i Edoma, ny taranak’i Amona ary Moaba mbamin’izay rehetra mihety volombava, izay monina any an-tany efitra; fa ny Jentilisa* rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’Israely rehetra kosa dia tsy voafora fo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help