Salamo 12 - Malagasy Bible Revision Version

Madio ny tenin’NY TOMPOHo an’ny mpiventy hira. Al-hasheminit. Salamo nataon’i Davida.

1Vonjeo, TOMPO ô, fa efa lany ny matahotra an’Andriamanitra,

tsy misy mahatoky intsony eo amin’ny zanak’olombelona.

2Samy milaza lainga amin’ny namany

amin’ny molotra mandokadoka ny olona,

ary fo mamorom-pitaka no itenenany.

3Holevonin’NY TOMPO anie ny molotra mandokadoka rehetra

sy ny lela miteny avonavona

4izay miteny hoe: Ny lelanay no mampahery anay;

miandany aminay ny molotray;

iza no tomponay?

5Noho ny fampahoriana ny madinika

sy ny fisentoan’ny mahantra

dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy NY TOMPO,

hataoko mahita ny famonjena iriny ireny vingavingain’ny sasany ireny.

6Ny tenin’NY TOMPO dia teny madio

toy ny volafotsy voarendrika tao anatin’ny memy amin’ny tany;

eny, voadio impito.

7Ianao, TOMPO ô, no hiambina azy,

Ianao no hitahiry anay tsy ho azon’ity taranaka ity hatramin’izao ka ho mandrakizay.

8Mivezivezy eny rehetra eny ny ratsy fanahy

rehefa mitombo ny fahambanian-toetran’ny zanak’olombelona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help