1Andriamanitra ô, tonga eto amin’ny lovanao ny Jentilisa*
ka nandoto ny tempolinao masina
sady nanao an’i Jerosalema ho korontam-bato.
2Ny fatin’ny mpanomponao
dia nomeny hohanin’ny voromanidina
ary ny nofon’ny olonao masina ho an’ny bibidia;
3ny rany dia naidiny manodidina an’i Jerosalema
tahaka ny rano
ary tsy nisy nandevina azy.
4Tonga fandatsan’ny mpiaramonina izahay
sady faneso sy fanakoran’izay manodidina anay.
5Mandra-pahoviana, TOMPO ô, no hanontolo fo Ianao
ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaronao?
6Aidino amin’ny Jentilisa izay tsy mahalala Anao
sy amin’ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao
ny fahatezeranao!
7Fa efa nandany an’i Jakoba izy ireo
sady nandrava ny fonenany.
8Aza tsarovanao ny helokay taloha!
Aoka ho avy haingana hitsena anay ny fiantranao!
Fa reraka loatra izahay.
9Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
noho ny voninahitry ny anaranao!
Afaho izahay ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao!
10Nahoana ny Jentilisa no hiteny hoe:
Aiza izay Andriamaniny?
Aoka ho fantatra any amin’ny Jentilisa, eo imasonay,
ny famaliana ny ran’ny mpanomponao izay nalatsaka.
11Aoka ho tonga eo anatrehanao ny senton’ny mpifatotra!
Araka ny halehiben’ny sandrinao dia arovy tsy ho faty izay voaheloka ho faty!
12Valio impito heny ho ao ampofoan’ny mifanila fonenana aminay
ny fanaratsiana izay nataony Anao, Tompo ô!
13Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao,
dia hisaotra Anao mandrakizay;
hatramin’ny taranaka fara aman-dimby no hilazanay ny fiderana Anao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.