Jona 3 - Malagasy Bible Revision Version

Any Ninive i Jona

1Tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary ambarao aminy ny teny izay lazaiko aminao.

3Dia nitsangana i Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’NY TOMPO. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalana hateloana no amakivakiana azy.

4Dia nanomboka nandeha lalana indray andro tao an-tanàna i Jona ka nanambara hoe: Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Ninive.

5Dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana, hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely.

6Nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianany izy ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana izy sady nipetraka tamin’ny lavenona.

7Ary araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka dia nasaina nantsoina sy nambara manerana an’i Ninive hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona na biby fiompy, dia ny ondry aman’osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.

8Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy ireo, ary aoka samy hahafoy ny lalan-dratsiny sy ny herisetra fanaon’ny tanany avy izy rehetra.

9Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahalany ritra antsika?

10Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy ka tsy nataony izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help