1Mihobia ho an’NY TOMPO,
ry tany rehetra!
2Manompoa NY TOMPO amin’ny fifaliana;
mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana!
3Aoka ho fantatrareo fa NY TOMPO no Andriamanitra:
Izy no nanao antsika ary Azy isika,
dia olony sy ondry andrasany.
4Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana
ary eo an-kianjany amin’ny fiderana!
Miderà Azy, misaora ny anarany!
5Fa tsara NY TOMPO; mandrakizay ny famindrampony
ary mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.