Daniela 7 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fahitana voalohany hitan’i Daniela: Ireo biby efatra

1Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babilona dia nanonofy i Daniela sady nahita fahitana tao am-pandrianany. Nosoratany ny nofy ka nambarany ny fotopototr’izany.

2Hoy i Daniela: Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho, fa indreo ny rivotra efatry ny lanitra nampihetsika ny Ranomasina Lehibe.

3Ary nisy biby efatra lehibe samihafa niakatra avy tamin’ny ranomasina.

4Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery. Raha mbola nijery azy aho dia voahongotra ny elany ary natsangana avy tamin’ny tany izy ka najoro tamin’ny tongony roa toy ny fijoron’ny olona sady natao manana fon’olombelona.

5Indro ny faharoa koa dia biby hafa, tahaka ny bera nefa nisandratra tamin’ny ila tenany sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan’ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, mihinàna nofo betsaka.

6Nony afaka izany dia nahita aho fa indro, nisy hafa koa, toy ny leoparda nefa nanana ela-borona efatra teo an-damosiny; nanana loha efatra io biby io ary nomena fanjakana izy.

7Nony afaka izany dia nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina aho, dia biby fahefatra mahatsiravina sady matanjaka sy tena mahery; nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nihotahota izy ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.

8Nodinihiko ny tandroka ka indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary nongotana teo anoloan’io ny tandroka telo tamin’ireo taloha; ary indro, nanana maso toy ny mason’olona sy vava miteny zavatra feno avonavona izy.

Ilay lahiantitra sy ilay «tahaka ny zanak’Olona»

9Raha mbola nijery aho

dia nisy sezafiandrianana maro napetraka,

ary nisy Lahiantitra iray nipetraka teo,

ny fitafiany dia fotsy toy ny orampanala

ary ny volon-dohany dia toy ny volon’ondry madio.

Ny sezafiandrianany dia lelafo

ary ny kodiarany dia afo mirehitra.

10Ony afo no nivoaka

sy nandeha avy teo anatrehany;

arivoarivo no nanompo Azy,

ary alinalina no nijoro teo anatrehany.

Nanomboka ny fitsarana

ary novelarina ny boky.

11Mbola nijery ihany aho noho ny feon’ny teny feno avonavona notenenin’ilay tandroka; raha mbola nijery aho dia novonoina ilay biby ka nolevonina ny tenany ary natao tao amin’ny afo mirehitra.

12Ny amin’ireo biby hafa dia nesorina taminy ny fahefany, nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin’ny andro sy ny fotoana.

13Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho fa indro,

nisy toy ny zanak’Olona

avy tamin’ny rahon’ny lanitra,

ary nankeo amin’Ilay Lahiantitra Izy,

dia nampanatonina Azy.

14Nomena fahefana sy voninahitra ary fanjakana Izy

mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy.

Ny fahefany dia fahefana mandrakizay

ka tsy ho tapaka,

ary ny fanjakany dia tsy ho rava.

Ny hevitr’ilay fahitana voalohany

15Izaho Daniela dia nangitakitaka tato anatiko, ary naharaiki-tahotra ahy ny fahitana hitako.

16Dia nanakaiky ny iray tamin’izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’izany rehetra izany. Nambarany tamiko ary ka nampahafantariny ahy ny hevitr’izany.

17Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany.

18Nefa ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay doria.

19Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nihotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony;

20ary ny amin’ny tandroka folo teo an-dohany sy ny iray koa izay nipoitra ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra feno avonavona, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.

21Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany dia niady tamin’ny olo-masina ka naharesy azy

22ambara-piavin’Ilay Lahiantitra izay nanome rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra ka tonga koa ny fotoana nandraisan’ny olo-masina ny fanjakana.

23Izao no nolazainy: Ilay biby fahefatra

dia fanjakana fahefatra

etỳ ambonin’ny tany

izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra,

sady handrava ny tany rehetra

no hanosihosy sy hanorotoro azy.

24Ny tandroka folo

dia mpanjaka folo

izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany;

ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy;

hafa noho ny voalohany izy

ary handresy mpanjaka telo.

25Hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy

sady hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra

ary hitady hanova ny fotoana sy ny lalàna.

Hatolotra eny an-tanany ireo,

ambara-pahatapitry ny fetrandro iray sy ny fetrandro roa

ary ny antsasaky ny fetrandro.

26Dia hanomboka ny fitsarana ary hesorina ny fahefany

ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy.

27Ary ny fanjakana sy ny fahefana

ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra

dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra.

Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay,

ary ny manamboninahitra rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.

28Mifarana eo ny fitantarana izany zavatra izany. Fa izaho Daniela kosa dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro ka nihahatsatra ny tarehiko ary notahiriziko tao am-poko ireo zavatra ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help