Salamo 108 - Malagasy Bible Revision Version

Hofohaziko ny fahazavan’ny marainaTononkira. Salamo nataon’i Davida.

1Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko;

hihira sy hankalaza Anao aho. Izany no voninahitro!

2Mifohaza, ry valiha sy lokanga;

hofohaziko ny fahazavan’ny maraina.

3Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, TOMPO ô,

ary hankalaza Anao eny amin’ny Jentilisa*.

4Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindramponao

ary mipaka any amin’ny habakabaka ny fahamarinanao.

5Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô;

ary aoka ho etỳ ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao.

6Mba hahafaka ny malalanao

dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho ka valio.

7Niteny tamin’ny fahamasinany Andriamanitra hoe: Handresy Aho

ka hizara an’i Sekema ary horefesiko ny lohasahan’i Sokota;

8Ahy i Gileada, ahy i Manase;

aron’ny lohako i Efraima;

tehim-panjakako i Joda;

9fitoeran-drano fisasana ho Ahy i Moaba;

eo amin’i Edoma no hanipazako ny kapako;

noho ny amin’i Filistia no hihobiako.

10Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy?

Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

11Tsy Ianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô,

sady tsy niaraka tamin’ny miaramilanay Ianao, Andriamanitra ô?

12Vonjeo amin’ny fahavalo izahay,

fa zava-poana ny famonjena ataon’ny olona.

13Andriamanitra no hahavitantsika asa mahery vaika,

fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help