Jeremia 1 - Malagasy Bible Revision Version

1Ny tenin’i Jeremia, zanak’i Hilkia, isan’ny mpisorona tao Anatota, tao amin’ny tanin’ny Benjamina.

2Izany tenin’NY TOMPO izany dia nampitondraina an’i Jeremia tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona fahatelo amby folo nanjakany,

3sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy.

Ny niantsoan’Andriamanitra an’i Jeremia ho mpaminaniny

4Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

5Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo

no efa fantatro;

ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka

no efa nohamasiniko

sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.

6Dia hoy aho: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.

7Fa hoy NY TOMPO tamiko:

Aza miteny hoe: Mbola zaza aho;

fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao,

ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.

8Aza matahotra azy ianao;

fa momba anao Aho ka hamonjy anao,

hoy NY TOMPO.

9Dia nanatsotra ny tanany NY TOMPO ka nanendry ny vavako ary hoy NY TOMPO tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,

10ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy fanjakana maro mba hanongotra sy hanjera, handrava sy handrodana, ary hanorina sy hamboly.

Ny rantsan-kazo mahatsiaro sy ny vilany mangotraka

11Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.

12Dia hoy NY TOMPO tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.

13Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’NY TOMPO hoe: Inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Vilany mangotraka no hitako ary mitongilana avy any avaratra ny vavany.

14Dia hoy NY TOMPO tamiko:

Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo

ny mponina rehetra amin’ny tany.

15Fa indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra,

hoy NY TOMPO;

dia ho tonga

ka samy hametraka ny sezafiandrianany

eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa,

hamelezany ny mandany rehetra manodidina

sy ny tanàna rehetra any Joda.

16Ary hifandahatra aminy Aho

noho ny haratsiany rehetra,

dia ny nahafoizany Ahy

sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa

ary ny niankohofany teo anatrehan’ny asan’ny tanany.

17Fa ianao kosa dia misikìna

ary miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao.

Aza matahotra azy ireo,

fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.

18Indro, ianao dia hataoko ho toy ny tanàna mimanda

sy andry vy ary manda varahina

mba tsy ho leon’ny tany rehetra,

na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny,

na ny mpisorony, na ny vahoaka.

19Fa hiady aminao ireny

nefa tsy hahaleo anao

satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help