Salamo 74 - Malagasy Bible Revision Version

Fitarainana tamin’Andriamanitra noho ny faharavan’ny tempolyMaskila nataon’i Asafa.

1Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Ianao,

no sady manetroka amin’ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?

2Tsarovy ny fiangonanao

izay efa azonao ho fananana fahiny,

ilay navotanao ho firenena lovanao,

dia ny tendrombohitra Ziona* izay nonenanao.

3Aingao ny tongotrao ka miakara ho amin’ny voarava mandrakizay!

Ny zavatra rehetra tao amin’ny fitoerana masina dia simban’ny fahavalo avokoa.

4Nierona tao anatin’ny toeram-pivorian’ny fiangonanao ny mpandrafy Anao;

nanangana ny fanevany ho famantarana izy.

5Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga

famaky hijinja ny ala mikitroka;

6ary ankehitriny, ny rafitra voasokitra rehetra ao

dia nasiany ny famaky sy ny kanonta.

7Nandoro ny fitoeranao masina tamin’ny afo izy;

nolotoiny sy nazerany tamin’ny tany ny fonenan’ny anaranao.

8Hoy izy anakampo: Aoka hampahorintsika izy rehetra!

Nandoro izay rehetra toerana fihaonana amin’Andriamanitra manerana ny tany izy.

9Tsy hitanay intsony ny famantaranay;

tsy misy mpaminany intsony

ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’izao.

10Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ny mpandrafy?

Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?

11Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Ianao?

Mampialà azy amin’ny tratranao ka mandringàna!

12Andriamanitra anefa no Mpanjakako hatrizay hatrizay;

manao famonjena eny amin’ny tany Izy.

13Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin’ny herinao,

Ianao no namakivaky ny lohan’ny dragona* tao anaty rano.

14Ianao no nanorotoro ny lohan’ny leviatana*

ka nanome azy hohanin’izay firenena any an-tany efitra.

15Ianao no namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony;

Ianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra.

16Anao ny andro, anao koa ny alina;

Ianao no nampitoetra ny volana sy ny masoandro.

17Ianao no nametraka ny sisiny rehetra amin’ny tany;

ny fahavaratra sy ny ririnina dia Ianao no namolavola azy.

18Tsarovy izao: Manaratsy NY TOMPO ny fahavalo

ary manamavo ny anaranao ny olona adala.

19Aza manolotra ny ain’ny voromailalanao ho an’ny bibidia

ary aza manadino mandrakizay ny ain’ny olo-mahantranao.

20Hevero ny fanekena!

Fa feno fonenan’ny fanaovana an-keriny

ny toerana maizina amin’ny tany.

21Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra!

Aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao!

22Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao!

Tsarovy ny fanaratsian’ny adala Anao mandritra ny andro!

23Aza manadino ny feon’ny rafinao,

dia ny tabataba izay miakatra mandrakariva avy amin’ireo mpanohitra Anao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help