1Korintiana 2 - Malagasy Bible Revision Version

Mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana

1Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny marevaka na fahendrena, rehefa nitory taminareo ny zavamiafina ny amin’Andriamanitra.

2Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, dia Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana;

3ary izaho aza raha tany aminareo dia azon’ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;

4ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena izay natao hampiaiky, fa tamin’ny fanehoana ny Fanahy sy ny hery

5mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona fa amin’ny herin’Andriamanitra.

Ny fahendren’Andriamanitra

6Kanefa milaza fahendrena amin’ny efa matotra izahay, tsy ny fahendren’izao tontolo izao na ny an’ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;

7fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zavamiafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao;

8ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy dia tsy nohomboany tamin’ny hazofijaliana ny Tompon’ny voninahitra.

9Fa araka ny voasoratra hoe:

«Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina

na niditra tao am-pon’ny olona

no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).

10Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza.

11Fa iza no olona mahalala izay momba ny olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.

12Fa tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao isika fa ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.

13Izany koa no teneninay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha mampitaha izay zavatra ara-panahy amin’izay avy amin’ny Fanahy izahay.

14Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra, fa fahadalana izany aminy sady tsy azony satria araka ny Fanahy no itsarana izany.

15Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mitsara ny zavatra rehetra kanefa tsy mba tsarain’olona izy.

16Fa «Iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy?» (Isa 40.13). Kanefa izahay dia manana ny sain’i Kristy*.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help