Ezekiela 10 - Malagasy Bible Revision Version

Fahitana hafa indray momba ny voninahitry NY TOMPO

1Ary hitako fa indro, teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohan’ny kerobima* dia nisy tahaka ny vato safira; ary nisy zavatra tahaka ny endriky ny sezafiandrianana niseho teo amboniny.

2Ary niteny tamin-dRalehilahy nitafy lamba rongony fotsy Izy hoe: Midira eo anelanelan’ny kodiarana, dia eo ambanin’ny kerobima, ary fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao roa ka afafazo amin’ny tanàna izany! Dia niditra teo imasoko izy.

3Ary ny kerobima dia nitsangana teo ankavanan’ny Trano rehefa niditra Ralehilahy; ary ilay rahona dia nameno ny kianja anatiny.

4Dia niakatra niala teo amin’ny kerobima ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny Trano ny voninahitry ny TOMPO; ary ilay rahona dia nameno ny Trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ny voninahitry NY TOMPO.

5Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin’ny kianja ivelany, toy ny feon’Andriamanitra Tsitoha raha miteny Izy.

6Ary rehefa nodidiany Ralehilahy nitafy lamba rongony fotsy hoe: Makà afo avy eo analenelan’ny kodiarana, eo anelanelan’ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan’ny kodiarana.

7Ary ny kerobima iray dia nanatsotra ny tanany avy teo anelanelan’ny kerobima ho eo amin’ny afo izay teo anelanelan’ny kerobima, dia nakany ka nofenoiny ny tanan-droan’ilay nitafy lamba rongony fotsy. Ary rehefa nandray izany Ralehilahy dia lasa nandeha.

8Ary nisy zavatra toy ny tanan’olona niseho teo ambanin’ny elatry ny kerobima.

9Ary hitako fa indreo, nisy kodiarana efatra teo anilan’ny kerobima, dia kodiarana iray avy teo anilan’ny kerobima tsirairay; ny fijery ny kodiarana dia toy ny volon’ny vato krizolita.

10Ary ny fijery azy efatra dia toy ny kodiarana anatin’ny kodiarana hafa.

11Rehefa nandeha izy ireo dia nandeha tamin’ny hitsin’ny lafiny efatra; tsy niherika izy rehefa nandeha, fa tamin’ny hitsin’izay natrehin’ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy rehefa nandeha.

12Feno maso manodidina ny tenan’ny kerobima manontolo, ny lamosiny, ny tanany, ny elany ary koa ny kodiarana; izy efatra dia samy nisy kodiarana avokoa.

13Ny amin’ny kodiarana dia reko nisy niantso azy hoe: Ry tadio!

14Samy nanana tarehy efatra avy izy: Ny tarehin’ny voalohany dia nitarehin’ny kerobima, ary ny tarehin’ny faharoa dia nitarehin’olona, ny fahatelo dia nitarehin’ny liona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.

15Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zavamananaina hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany.

16Rehefa nandeha ny kerobima dia mba nandeha teo anilany koa ny kodiarana; ary rehefa nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin’ny tany dia tsy nisaraka taminy ny kodiarana fa teo akaikiny koa.

17Rehefa nijanona izy dia mba nijanona koa ireo; ary rehefa niainga izy dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin’ny zavamananaina no tao aminy.

Miala tao amin’ny tempoly ny voninahitry NY TOMPO

18Dia niala avy teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny Trano ny voninahitry NY TOMPO ka nijanona teo ambonin’ny kerobima*.

19Ary nasandratry ny kerobima ny elany ka niainga tsy nipaka tamin’ny tany teo imasoko izy rehefa nivoaka, ary teo anilany ny kodiarana ary samy nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely no teo amboniny.

20Izany dia ilay zavamananaina hitako teo ambanin’ny Andriamanitry ny Israely teo amoron’ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.

21Samy nanana tarehy efatra avy izy sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy zavatra toy ny tanan’olona teo ambanin’ny elany.

22Ary ny tarehiny dia nitovy tamin’ilay hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany. Ary ny hitsin’ny tavany no nalehany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help