Salamo 59 - Malagasy Bible Revision Version

Afaho amin’ny fahavaloko ahoHo an’ny mpiventy hira. Al-tashet. Miktama nataon’i Davida, fony i Saoly nandefa iraka hiambina ny trano ka hamono azy.

1Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô;

asondroty eo amin’ny avo aho mba tsy ho azon’izay mikomy amiko!

2Afaho amin’ny mpanao ratsy aho

ary vonjeo ho afaka amin’ny mpandatsa-dra!

3Fa indro, manao vela-pandrika hahazo ny aiko izy;

misy olo-mahery mioko hamely ahy,

nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, TOMPO ô!

4Tsy misy heloko, nefa miomana hamely ahy izy;

koa mifohaza hitsena ahy ka jereo!

5Ary Ianao, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely ô,

mifohaza hitsara ny firenena rehetra!

Aza mamindra fo amin’izay mpivadika sady ratsy fanahy! Fiatoana.

6Miverina ireny nony ny hariva ka mierona tahaka ny alika

sady mandehandeha manerana ny tanàna.

7Indro, mirezadrezatra amin’ny vavany izy;

sabatra no eo amin’ny molony;

fa iza, hono, no handre?

8Kanjo Ianao, TOMPO ô, hihomehy azy;

Ianao haneso ny firenena rehetra.

9Noho ny herin’ireny dia hiandry Anao aho;

fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.

10Andriamanitra izay mamindra fo amiko no hialoha ahy;

hataon’Andriamanitra faly mijery ny amin’ny fahavaloko aho.

11Aza vonoinao izy, fandrao hanadino izany ny fireneko;

ampirenireneo amin’ny herinao izy ka aripaho, ry Tompo, ampinganay, ô.

12Ny fahotan’ny vavany dia ny tenin’ny molony;

aoka ho voasambotry ny fireharehany ihany izy;

eny, noho ny ozona sy ny lainga teneniny!

13Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy hisy intsony izy!

Aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’i Jakoba

ka hatramin’ny faran’ny tany. Fiatoana.

14Miverina ireny nony hariva ka mierona tahaka ny alika

sady mandehandeha manerana ny tanàna.

15Miriorio mitady hanina izy;

raha tsy voky izy dia any ihany mandritra ny alina.

16Fa izaho kosa dia hihira ny herinao

ary hihoby ny famindramponao nony maraina,

satria fiarovana avo ho ahy Ianao

ary fandosirako amin’ny andro fahoriana.

17Ry Heriko ô, Ianao no hankalazaiko;

fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra izay mamindra fo amiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help