Isaia 43 - Malagasy Bible Revision Version

Ny Iray Masin’ny Israely, Mpamonjy ny olony

1Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO,

izay nahary anao, ry Jakoba ô,

sady namolavola anao, ry Israely ô:

Aza matahotra ianao,

fa efa nanavotra anao Aho.

Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho,

Ahy ianao!

2Raha mita ny rano ianao

dia homba anao Aho;

raha mita ny ony ianao

dia tsy hanafotra anao izy;

raha mandeha mamakivaky ny afo ianao

dia tsy ho may,

fa tsy handoro anao ny lelafo.

3Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao,

dia ny Iray Masin’ny Israely, Mpamonjy anao;

omeko ho fanavotana anao i Ejipta,

ary ho solonao i Kosy sy i Seba.

4Satria sarobidy eo imasoko ianao,

ary be voninahitra ianao sady tiako,

dia olona no omeko ho solonao,

ary firenena no ho solon’ny ainao.

5Aza matahotra

fa momba anao Aho;

hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho,

ary avy any andrefana no hanangonako anao.

6Ny avaratra dia hilazako hoe: Omeo!

Ary ny atsimo hoe: Aza hazonina!

Alao ny zanako lahy avy lavitra

sy ny zanako vavy avy any amin’ny faran’ny tany,

7dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako

sady nohariko ho voninahitro,

dia izay novolavolaiko sy nataoko.

Tsy misy mpamonjy ankoatra NY TOMPO

8Ento mivoaka ny olona jamba

nefa mana-maso,

ary ny marenina

nefa manan-tsofina.

9Aoka hiangona ny firenena rehetra

ary aoka hivory ny mponina!

Iza tamin’izy ireo no nanambara izany?

Iza tamin’izy ireo no nanambara tamintsika izay niseho taloha?

Aoka hoentiny hanamarina azy ny vavolombelony!

Ary aoka hohenoina ireo mba hiaiky hoe: Marina izany!

10Ianareo no vavolombeloko

hoy NY TOMPO,

sady mpanompoko izay nofidiko

mba hahafantaranareo

sy hinoanareo Ahy

ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy;

talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona,

sady tsy hisy handimby Ahy.

11Izaho dia Izaho ihany no TOMPO,

ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.

12Izaho no nilaza sy namonjy ary nanambara,

ary tsy nisy olon-kafa tao aminareo;

koa ianareo no vavolombeloko,

hoy NY TOMPO,

ary Izaho no Andriamanitra.

13Eny, hatramin’izany andro izany dia Izaho no Izy,

ary tsy misy maharombaka ny eto amin’ny tanako;

miasa Aho ka iza moa no hahasakana izany?

Lalam-baovao any an-tany efitra

14Izao no lazain’NY TOMPO

Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ny Israely:

Noho ny aminareo no nanirahako olona hiady amin’i Babilona,

ary harendriko ireo mpandositra rehetra ireo,

dia ireo Kaldeana izay mirebika any amin’ny sambony.

15Izaho no TOMPO, Iray Masinareo,

Mpamorona ny Israely sady Mpanjakanareo.

16Izao no lazain’NY TOMPO,

izay manao lalana eny amin’ny ranomasina

sy lalan-kaleha eny amin’ny rano manonja,

17izay mamoaka ny kalesy fitondra miady sy ny soavaly,

ny tafika sy ny lehilahy mahery.

Miara-mandry avokoa izy

ka tsy hiarina intsony.

Mitsilopilopy izy

ka maty toy ny lahin-jiro lany:

18Aza mahatsiaro ny lasa,

na misaina ny taloha.

19Indro, efa hanao zava-baovao Aho,

koa efa miposaka izany ankehitriny;

tsy mahalala izany va ianareo?

Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana

ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.

20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia

sy ny amboadia ary ny aotirisy,

satria manisy rano any an-tany efitra

sy ony any amin’ny tany ngazana Aho

mba hampisotroina ny oloko, dia ilay voafidiko.

21Izao vahoaka noforoniko ho Ahy izao

no hanambara ny fiderana Ahy.

Mifandahatra amin’ny olony NY TOMPO

22Nefa tsy mba Izaho no nantsoinao, ry Jakoba!

Fa sasatra Tamiko ianao, ry Israely!

23Tsy nitondranao ny zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo Aho.

Tsy nataonao ho fanomezam-boninahitra Ahy ny fanatitrao;

tsy nataoko raharaham-panompoanao ny fanatitra,

na nanasatra anao tamin’ny ditin-kazo manitra Aho.

24Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao,

na nahavoky Ahy tamin’ny jaboran’ny fanatitrao;

fa nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao kosa ianao

sady nanasatra Ahy tamin’ny helokao.

25Izaho dia Izaho ihany no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako

ary tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.

26Ampahatsiarovy Aho, koa avia isika hifandahatra;

alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.

27Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota

ary efa nikomy Tamiko ireny mpitondra teninao ireny.

28Koa izany no nandotoako ny mpanapaka ny fitoerana masina

sy nanolorako an’i Jakoba ho zavatra voaozona

ary Israely ho latsa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help