1Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasokitra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
2Tandremo ny Sabatako ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no TOMPO.
Fitahiana3Raha manaraka ny lalànako sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany
4dia hanome anareo ranonorana amin’ny fotoanany Aho ka hahavokatra ny tany ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
5Ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka ny taom-pivelezanareo ary ho tratry ny taom-pamafazana ny taom-piotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky ary handry fehizay eo amin’ny taninareo.
6Homeko fiadanana eo amin’ny tany ianareo ka handry fehizay, ary tsy hisy hanaitaitra; fa hofongorako ny biby masiaka amin’ny tany ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
7Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy ireo.
8Ny dimy aminareo dia hanenjika ny zato ary ny zato aminareo dia hanenjika ny iray alina. Ny fahavalonareo dia ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
9Ary hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo sady hanorina ny fanekeko aminareo.
10Hihinana ny tranainy ianareo sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
11Ary ny tabernakeliko* dia hataoko eo aminareo ary tsy ho halan’ny fanahiko ianareo.
12Handeha eo anivonareo Aho ka ho Andriamanitrareo ary ianareo dia ho oloko.
13Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mitraka.
Ozona14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo
15ary hamavoinareo ny didiko na halan’ny fanahinareo ny fitsipiko ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra fa ivadihanareo ny fanekeko
16dia izao no hataoko aminareo: Hasiako fampitahorana aminareo, dia aretina mahasaozanina sy tazo mahamay izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
17Dia hifanandrina aminareo ny tavako ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo. Izay mankahala anareo no hifehy anareo ary handositra ianareo na dia tsy misy manenjika aza.
18Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’izany rehetra izany dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
19Horavako ny reharehan’ny herinareo ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo dia ho lany foana;
20fa tsy hanome vokatra ny taninareo ary tsy hamoa ny hazo amin’ny tany.
21Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo ka tsy mety mihaino Ahy dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
22Hampandehaniko eo aminareo ny bibidia ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ary hahavitsy isa anareo; ny lalambenareo dia ho tonga tany efitra.
23Ary raha tsy mandray ny anatro amin’izany ianareo fa mbola manohitra Ahy ihany
24Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona ao anatin’ny tanànanareo ianareo dia handefa areti-mandringana aminareo Aho ary hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.
26Raha atsahatro ny mofo ho anareo, izay tohan’ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo ary an-tsinjarany no hizaràny azy dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.
27Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany ihany ianareo fa mbola manohitra Ahy hatrany
28dia hamely anareo amin’ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
29Dia hihinana ny nofon’ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ianareo.
30Dia horavako ny toerana fanaovanareo sorona ary hokapaiko ny tsangankazon-tsampinareo ho an’ny masoandro ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo ary ho halan’ny fanahiko ianareo.
31Horavako ny tanànanareo ka ho lao ireo toeranareo masina ary tsy hamboloiko ny hanitra mani-pofona aterinareo.
32Hataoko lao ny tany ka ho talanjona amin’izany ny fahavalonareo izay monina eo.
33Ary ianareo dia haeliko any amin’ny Jentilisa*; hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika anareo Aho ka ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo.
34Ary amin’izany ny tany dia hifaly amin’ny Sabatany mandritra ny andro rehetra izay hahafoana azy raha any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany;
35amin’ny andro hahafoana azy rehetra no hitsaharany ho solon’izay tsy nitsaharany tamin’ny Sabatanareo fony mbola nonina teo ianareo.
36Ary ny amin’ireo sisa aminareo dia hampidirako hakiviana ao am-pony, any amin’ny tanin’ny fahavalony, ka na ny feon’ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandositra sabatra izy ka ho lavo na dia tsy misy manenjika aza.
37Ary ho lavo mifanindry toy ny mandositra sabatra izy ireo na dia tsy misy manenjika aza; koa tsy hahajanona eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo.
38Dia ho lany ringana any amin’ny Jentilisa ianareo; ho lanin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo.
39Ary ireo sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ny tanin’ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
Hotsarovan’Andriamanitra ny fanekeny40Dia hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, dia ny fahadisoana izay vitany tamiko tamin’ny nanoherany Ahy,
41ary Izaho koa hamely azy ka hitondra azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony. Dia hietry amin’izany ny fony tsy voafora ka hanonitra ny helony izy ireo
42dia hotsarovako ny fanekeko tamin’i Jakoba sy ny fanekeko tamin’Isaka ary ny fanekeko tamin’i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
43Ary hilaozan’izy ireo ny tany ka hifaly amin’ny Sabatany satria mitoetra foana tsy misy olona; fa ny olona kosa dia hanonitra ny amin’ny helony satria nandà ny fitsipiko sady nankahala ny didiko.
44Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy dia tsy holaviko ary tsy ho halako fandrao lany ringana izy rehetra ka ho rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.
45Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta teo imason’ny Jentilisa* mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no TOMPO.
46Ireo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon’NY TOMPO ho aminy sy amin’ny Zanak’Israely teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an’i Mosesy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.