1Petera 3 - Malagasy Bible Revision Version

Ny mpivady kristiana

1Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo; koa raha misy aza tsy manaiky ny teny dia ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza,

2rehefa hitany ny fitondrantenanareo izay madio sy feno fanajana.

3Ary aoka ny fihaingoanareo tsy ho ny zavatra ivelany, toy ny taovolo manaitra sy ny firavaka volamena na ny fitafiana marevaka,

4fa ny toetra miafina ao am-po, amin’ny fihaingoana tsy mety ho lo, dia ny fahalemem-panahy sy ny fiadanana, izay sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra.

5Fa tahaka izany no nihaingoan’ireo vehivavy masina fahiny izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;

6dia tahaka an’i Saraha izay nanaiky an’i Abrahama ka nilaza azy hoe tompoko. Koa ianareo no tonga zanany amin’ny fanaovana ny soa ka tsy hanahy na inona na inona fampitahorana.

7Toy izany koa ianareo lehilahy, tandrovy tsara ny fiarahanareo amin’ny vavy, amin’ny fanajana azy araka ny maha fanaka malemy kokoa azy, sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana aminareo izy, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.

Ny fitiavana kristiana

8Farany, miraisa saina ianareo rehetra ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.

9Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana.

10«Fa na iza na iza maniry fiainana

sy ta hahita andro soa

dia aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy

ary ny molony mba tsy hiteny fitaka.

11Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa;

aoka izy hitady fihavanana sy hikatsaka azy.

12Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina

ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany;

fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy» (Sal 34.12-16).

Ny Kristiana, vonona hanambara ny fanantenany

13Ary iza no hanisy ratsy anareo raha mazoto amin’izay tsara ianareo?

14Fa raha toa ka mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo dia sambatra! Aza matahotra tahaka azy ary aza mangorohoro ianareo.

15Fa manamasìna an’i Kristy* ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,

16nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana; koa manàna fieritreretana tsara. Amin’izany dia ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy ka manendrikendrika anareo.

17Fa tsara kokoa ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa, raha izany ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-dratsy.

Avy amin’ny fahafatesan’i Kristy, ho amin’ny fandreseny

18Fa Kristy* koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota,

ny Marina hamonjy ny tsy marina

mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra

ka novonoina araka ny nofo Izy,

fa novelomina araka ny fanahy

19izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,

20dia izay tsy nanaiky fahiny, raha niandry tamin’ny fahari-po Andriamanitra, tamin’ny andron’i Noa ka mbola namboarina ny sambofiara izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ary namonjena azy ny rano.

21Izany dia tandindon’ny batisa izay mamonjy anareo koa ankehitriny; tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa izany fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,

22izay eo ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka nampanekena Azy ny anjely, ny fahefana ary ny hery.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help