1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
2Ento i Arona sy ireo zanany, ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana miaraka amin’ny vantotra ombilahy iray hatao fanatitra fanadiovana sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira,
3dia vorio ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ny fiangonana manontolo.
4Nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO azy i Mosesy ka vory teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fiangonana.
5Hoy i Mosesy tamin’ny fiangonana: Izao no raharaha nandidian’NY TOMPO.
6Dia nampanatonin’i Mosesy i Arona sy ireo zanany ka nampandroiny tamin’ny rano.
7Avy eo dia nampiakanjoiny ny akanjo lava i Arona ka nasiany fehikibo sy nampanaoviny ny akanjo ivelany; dia nataony taminy ny efoda* ary nasiany ny fehikibo momba ny efoda izy ka namehezany ny efoda taminy izany.
8Ary ny saron-tratra dia nataony taminy ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima*.
9Nataony teo an-dohany ny fehiloha sy ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin’ny fehiloha, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
10Dia nalain’i Mosesy ny diloilo fanosorana ka nohosorany ny tabernakely* sy izay rehetra tao ary nohamasininy.
11Namafazany impito teo ambonin’ny alitara ny diloilo, nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany mba hahamasina azy ireny.
12Nandrarahany teo amin’ny lohan’i Arona avy eo ny diloilo fanosorana ka nanosotra azy izy mba hanamasinana azy.
13Dia nampanatonin’i Mosesy koa ireo zanak’i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, nasiany fehikibo, dia nampisatrohany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
14Noentiny nanatona koa ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana. Koa nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana i Arona sy ireo zanany.
15Dia novonoiny iny ary nalain’i Mosesy ny ra ka nohosorany tamin’ny fanondrony ireo tandroka* manodidina ny alitara mba hanadiovany azy tamin’ny ota. Ny ra sisa kosa dia naidiny teo an-tongotry ny alitara izay nohamasininy tamin’ny fanaovana fanavotana ho azy.
16Dia nalainy ny jaboran-tsinainy rehetra sy ny ila atiny lehibe ary ny voany mbamin’ny jabora mandrakotra azy ka nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ireo.
17Fa ilay vantotra ombilahy, ny hodiny ary ny henany sy ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ny afo teny ivelan’ny toby, araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
18Dia noentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana manontolo; ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany.
19Dia novonoina iny ka nofafazan’i Mosesy ra ny manodidina ny alitara.
20Norasainy tsara ny ondrilahy dia nodoran’i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny jaborany.
21Nosasany tamin’ny rano ny taovany sy ny tongony; ary nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ny tenan’ilay ondrilahy manontolo. Fanatitra dorana manontolo izany mba ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
22Dia noentiny nanatona koa ny ondrilahy faharoa, dia ny ondrilahy fanokanana; ary nametraka ny tanany tamin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany.
23Novonoiny iny, ary nakan’i Mosesy ny ra ka nahosony teo amin’ny ravin-tsofin’i Arona havanana sy tamin’ny ankiben-tanany havanana ary tamin’ny ankiben-tongony havanana.
24Nampanatoniny koa ireo zanak’i Arona ka nohosoran’i Mosesy ra ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana; dia nofafazan’i Mosesy ny ra sisa ny manodidina ny alitara.
25Nalainy ny jaborany sy ny hofany, ny taovany rehetra, ny ila atiny lehibe, ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy ary ny feny havanana.
26Nakany mofo iray tsy misy masirasira sy mofo iray voaisy diloilo ary mofo manify iray ilay harona nisy ireo mofo tsy misy masirasira izay teo anatrehan’NY TOMPO ka napetrany teo ambonin’ny jaborany sy ny feny havanana.
27Dia napetrany teo amin’ny tanan’i Arona sy ireo zanany ireo rehetra ireo ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO.
28Nalain’i Mosesy tamin’ny tanany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara niaraka tamin’ny fanatitra dorana manontolo; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
29Nalain’i Mosesy koa ny tratran’ilay ondry ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Anjaran’i Mosesy avy amin’ny ondrilahy fanokanana io, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.
30Dia nakan’i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara ka nafafiny tamin’i Arona sy ny fitafiany, ary tamin’ireo zanany sy ny fitafian’izy ireo koa; dia nanamasina an’i Arona sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa izy.
31Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ireo zanany: Ahandroy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny hena; eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao amin’ny haron’ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: I Arona sy ireo zanany no hihinana azy.
32Izay sisa amin’ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin’ny afo.
33Tsy hiala eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana ianareo, mandra-pahatapitra ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
34Tahaka ny efa natao androany no nandidian’NY TOMPO hatao mba hanaovana fanavotana ho anareo.
35Hitoetra eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana andro aman’alina ianareo ka hitandrina izay asain’NY TOMPO hotandremana dia tsy ho faty ianareo: Izany no nandidiana ahy.
36Dia notanterahin’i Arona sy ireo zanany izay rehetra nandidian’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.