Tononkiran’i Solomona 1 - Malagasy Bible Revision Version

1Ny tononkira tsara indrindra, izay an’i Solomona.

Resadresaka ifanaovan’ny mpifankatia(Ravehivavy)

2Enga anie ka hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany izy!

Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.

3Mani-pofona ny menakao tsara,

menaka manitra voaidina ny anaranao,

koa izany no itiavan’ny tovovavy anao.

4Tariho aho hanaraka anao, dia hiara-hihazakazaka isika;

noentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony aho.

Hifaly sy hiravoravo ao isika;

hankalazaintsika mihoatra noho ny divay ny fitiavanao;

fitiavana marina no itiavany anao.

5Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’i Jerosalema,

toy ny tranolain’i Kedara, toy ny ambaindain’i Solomona.

6Aza mibanjina ahy fa mivalomainty aho

satria nodanihin’ny hainandro.

Tezitra tamiko ny zanak’Ineny;

notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho;

nefa ny tanim-boaloboko kosa, izay ahy, dia tsy mba nambenako.

7Ambarao amiko, ry ilay tian’ny foko,

aiza no iandrasanao ny ondrinao,

aiza no andriandrianao rehefa antoandro?

Fa nahoana aho no ho tahaka izay mirenireny foana

eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao?

(Olon-kafa)

8Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy,

dia mandehana araho ny dian’ny andian’ondry aman’osy,

ary andraso eny amin’ny tranolain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao.

(Ralehilahy)

9Rahavako, ianao dia ampitahaiko

amin’ny soavalivaviko mitarika ny kalesy fitondran’i Farao miady.

10Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy;

manendrika ny vozonao ireo rojo feno perla.

11Rojo volamena mitohitohy volafotsy kiboribory

no ampiambozonanay anao.

(Ravehivavy)

12Raha eo amin’ny latabany ny mpanjaka

dia mamerovero tsara ny nardako.

13Amiko, ny malalako dia miora iray fehezana madinika

mandry eo an-tratrako.

14Amiko, ny malalako dia salohim-boninkazo

any an-tanim-boalobok’i Eny-Gedỳ.

(Ralehilahy)

15Indro, tsara tarehy ianao, Rahavako;

indro, tsara tarehy ianao;

toy ny an’ny voromailala ny masonao.

(Ravehivavy)

16Indro, tsara tarehy koa ianao, ry malalako,

eny, mahafinaritra ianao;

ahi-maitso no fandrianantsika.

17Hazo sedera ny sakamandimbin’ny tranontsika,

ary hazo kipreso ny valindrihantsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help