Zefania 2 - Malagasy Bible Revision Version

Antso ho an’ny mpanetry tena

1Miangòna; eny, mivoria ianareo

ry firenena tsy manan-kenatra,

2dieny tsy mbola mihatra ny didy,

fa mihelina toy ny akofa ny andro,

dieny tsy mbola tonga aminareo

ny hamafin’ny hatezeran’NY TOMPO;

eny, dieny tsy mbola tonga aminareo

ny andro firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO!

3Mitadiava NY TOMPO ianareo mpanetry tena rehetra amin’ny tany,

izay efa nanaraka ny fitsipiny!

Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fanetren-tena!

Angamba ho voafina ianareo

amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO.

Famaizana ny mponina any andrefana

4Fa hafoy i Gaza,

ho lao i Askelona;

horoahina mitataovovonana i Asdoda

ary hofongorana i Ekrona.

5Lozan’ny mponina any amoron-tsiraka,

dia ny firenen’ny Keretita!

Mihatra aminareo ny tenin’NY TOMPO hoe:

Ry Kanana, tanin’ny Filistina,

haringako tsy hisy mponina eo aminao!

6Ny moron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry,

ho toeram-piandrasan’ny mpiandry ondry

sy ho valan’ondry aman’osy.

7Ho tanin’ny sisa amin’ny taranak’i Joda izany

ka any no hiandrasany ondry.

Ao amin’ny tranon’i Askelona no handriany amin’ny hariva,

fa NY TOMPO Andriamaniny no hamangy azy

ka hampody azy avy amin’ny fahababoany.

Famaizana ny mponina any atsinanana

8Efa reko ny latsa ataon’i Moaba

sy ny fanaratsiana ataon’ny taranak’i Amona

izay nandatsany ny oloko

sy nireharehany teny amin’ny sisintaniny.

9Koa raha velona koa Aho,

hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,

Andriamanitry ny Israely,

dia ho tahaka an’i Sodoma tokoa i Moaba,

ary ny taranak’i Amona dia ho tahaka an’i Gomora,

ho toerana feno ahi-dratsy

sy lava-tsira

ary tany lao mandrakizay;

ny sisa amin’ny oloko no hamabo azy

ary ny sisa amin’ny fireneko no hahalasa azy.

10Izany no ho valin’ny avonavony satria nandatsa ny olon’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, sy nirehareha taminy izy.

11Hahatahotra azy NY TOMPO satria hanafoana ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany Izy; hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO ny nosin’ny Jentilisa* rehetra, samy any amin’ny fitoerany avy.

Famaizana ny mponina any atsimo sy any avaratra

12Ianareo Kosita koa,

ho voatrobaky ny sabatro ianareo.

13Hanainga ny tanany hamely ny avaratra Izy

ka handringana an’i Asiria;

hahalao an’i Ninive

ho karankaina tahaka ny tany efitra Izy.

14Hisy andiam-biby handry ao aminy,

dia ny karazam-biby rehetra;

hitoetra ao an-tampon’ny andriny

na ny sama na ny sokina;

feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely.

Fandravana no ho eo an-tokonana,

fa hendahiny ny rafitra sedera.

15Izany no tanàna niravoravo

sady nandry fehizay,

izay niteny anakampo hoe:

Izaho no izy ary tsy misy hafa!

Endre! Tonga lao izy;

eny, fandrian’ny biby!

Izay rehetra mandalo azy

dia hisiotsioka mafy sy hanondro tanana azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help