1Mpanjaka 4 - Malagasy Bible Revision Version

Mandamina ny fanjakany i Solomona

1Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Solomona mpanjaka.

2Ireto no mpitondra tao aminy:

I Azaria, zanak’i Zadoka, no mpisorona;

3i Elihorefa sy i Ahia, zanak’i Sisà, no mpitantsoratra;

i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;

4i Benaia, zanak’i Joiada, no komandin’ny miaramila;

i Zadoka sy i Abiatara no mpisorona;

5i Azaria, zanak’i Natana, no lehiben’ny olona voatendry;

i Zaboda, zanak’i Natana, namana akaikin’ny mpanjaka;

6i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa;

i Adonirama, zanak’i Abda, no lehiben’ny mpanao fanompoana.

7Ary nanendry mpifehy roa amby folo lahy ho amin’ny Israely rehetra i Solomona hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ny taona iray izy ireo.

8Ireto avy ny anarany:

I Beny-Hora no tany amin’ny tany be havoana any Efraima;

9i Beny-Dekera no tao Makaza sy tao Salbima sy Bety-Semesy ary Elona-Bety-Hanana;

10i Beny-Heseda no tao Arobota; i Soko sy ny tany Hefera manontolo no azy;

11i Beny-Abinadaba no tao amin’ny havoanan’i Dora rehetra. I Tafata, zanakavavin’i Solomona, no vadiny;

12i Bana, zanak’i Ahiloda; azy kosa i Tanàka sy Megido ary Bety-Sana rehetra, izay anilan’i Zaretana, ambanin’i Jezirela, hatrany Bety-Sana ka hatrany Abela-Mehola, dia hatrany ankoatra an’i Jokneama;

13i Beny-Gebera no tao Ramota-Gileada; ireo tanànan’ny mpitoetra an-tranolay izay an’i Jaira, zanak’i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tanin’i Argoba, izay any Basana, dia tanàna enimpolo lehibe nisy manda sy hidy varahina;

14i Ahinadaba, zanak’i Ido, no tany Mahanaima;

15i Ahimaza no tany Naftaly. Izy kosa dia nanambady an’i Basemata, zanakavavin’i Solomona;

16i Bana, zanak’i Hosay, no tany Asera sy Alota;

17i Josafata, zanak’i Paroa, no tany Isakara;

18i Simey, zanak’i Ela, no tany Benjamina;

19i Gebera, zanak’i Orỳ, no tany amin’ny tany Gileada, tanin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, sy i Oga, mpanjakan’i Basana; ary izy ihany no mpifehy voatendry ho amin’izany tany izany.

20Ny Joda sy ny Israely moa dia tena maro ka tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony. Nihinana sy nisotro ny olona sady nifaly.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help