Jeremia 48 - Malagasy Bible Revision Version

Faminaniana ny amin’i Moaba

1Ny amin’i Moaba.

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely:

Nidiran-doza i Nebo fa rava!

Mangaihay i Kiriataima fa azo;

mangaihay i Misgaba sady raiki-tahotra.

2Tsy misy ho reharehan’i Moaba intsony;

tao Hesbona no niheverany izay hampidi-doza aminy hoe:

Andeha horavantsika tsy ho firenena intsony izy.

Ho ringana koa ianao, ry Madmena,

hanenjika anao ny sabatra.

3Injay misy feo fitarainana ao Horonaima hoe:

Fandravana sy fandringanana be!

4Rava i Moaba,

ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.

5Fa miakatra mitomany tsy misy fiafarany eny amin’ny fiakarana Lohita izy;

ary any amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy

noho ny fandringanana.

6Mandosira, vonjeo ny ainareo

ary aoka ho tahaka ny anjavidy any an-tany efitra ianareo.

7Fa noho ny nitokianao

tamin’ny asanao sy ny harenanao

dia ho voasambotra koa ianao;

ary i Kemosy dia ho lasan-ko babo,

dia ny mpisorony sy ny mpanapaka azy rehetra.

8Ary ho tonga ao amin’ny tanàna rehetra ny mpandringana

ka tsy hisy tanàna tsy ho azo;

ho simba koa ny lohasaha, ary ho rava ny tany lemaka,

araka izay nolazain’NY TOMPO.

9Omeo elatra i Moaba

fa hanidina izy ka ho lasa;

ary ho lao ny tanànany

ka tsy hisy mponina.

10Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain’NY TOMPO atao!

Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

11Nandry fehizay i Moaba hatry ny fony izy mbola kely

ka niotrika tao amin’ny faikany,

fa tsy mba naidina nafindrafindra siny

ary tsy mbola lasan-ko babo izy;

koa izany no naharetan’ny tsirony ao aminy

sy tsy niovan’ny fofony.

12Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanirahako olona any aminy, hampihohoka ny fitoeran-divainy ka hanafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny siny hoditrany.

13Ary ho menatra i Moaba noho ny amin’i Kemosy, toy ny nahamenatra ny taranak’Israely noho ny amin’i Betela tokiny.

14Ahoana no ilazanareo hoe:

Lehilahy matanjaka

sady mahery an’ady izahay?

15Rava i Moaba,

fa ny tanànany dia efa levon’ny setroka

ary nidina ho any amin’ny famonoana ny zatovony voafantina,

hoy ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no anarany.

16Efa antomotra ny loza hanjo an’i Moaba

ary manatona haingana ny fahoriany.

17Mitomania azy

ianareo rehetra izay manodidina azy

sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany!

Eny, lazao hoe: Indrisy!

Tapaka ny tehina mafy

sy ny tsorakazo tsara tarehy!

18Ry mponina ao Dibona zanakavavy,

midìna hiala amin’ny voninahitrao

ka mitoera ao amin’ny tany mangentana,

fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra hamely anao

sady mandrava ny fiarovanao.

19Ry mponina any Aroera

mijanòna eny an-dalambe ka mitazàna,

ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy,

dia anontanio hoe: Inona no nitranga?

20Afa-baraka i Moaba, eny, raiki-tahotra izy;

midradradradrà sy miantsoantsoa mafy

ka ambaraonareo ao Arnona

fa rava i Moaba.

21Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ny tany lemaka, dia ao Holona, Jahaza, Mefata,

22Dibona, Nebo, Bety-Diblataima,

23Kiriataima, Bety-Gamola, Bety-Meona,

24Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.

25Voakapa ny tandrok’i Moaba

ary tapaka koa ny sandriny,

hoy NY TOMPO.

26Ataovy leon-divay izy fa niavonavona tamin’NY TOMPO; hihosinkosina amin’ny loany i Moaba sady mba ho tonga fihomehezana kosa.

27Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Israely? Moa hita fa naman’ny mpangalatra va izy no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?

28Ry mponina any Moaba!

Ilaozy ny tanàna

ka mitoera any amin’ny harambato,

ary aoka ho tahaka ny voromailala

izay manao ny akaniny erỳ ampitan’ny hantsana ianao.

29Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba,

fatra-piavonavona loatra mantsy izy,

renay ny fireharehany sy ny fiavonavonany ary ny fiaingitrainginy

sy ny avonavon’ny fony.

30Izaho no mahalala ny vavany tafahoatra sy ny fibedibediny foana, hoy NY TOMPO; samy tsinontsinona ireny.

31Koa hidradradradra noho ny amin’i Moaba aho; eny, hitomany noho ny amin’i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ny mponina ao Kira-Haresa ny olona.

32Mihoatra noho ny fitomanian’i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma,

tafita ny ranomasina ny rantsanao

ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera;

ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.

33Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana dia nesorina tamin’ny saha nahavokatra

sy tamin’ny tany Moaba;

ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka,

tsy hisy intsony fihobiana rehefa manao fanitsakitsahana voaloboka,

raha misy aza dia fihobiana tsy izy akory.

34Ny fitarainan’i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza, hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-Selisia; fa na dia ny ranon’i Nimrima aza dia ho ritra koa.

35Ary hatsahatro ao Moaba koa izay miakatra hanatitra amin’ny toerana fanaovana sorona sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamaniny, hoy NY TOMPO.

36Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’i Moaba, ary ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ny mponina ao Kira-Haresa, eny, noho izany dia levona ny harena be izay noharìny.

37Fa nosolaina ny loha rehetra, voaharatra ny somotra rehetra, asiana tetika amin’ny tanana rehetra ary lamba fisaonana no amin’ny andilany.

38Eny, amin’ny tampon-trano* rehetra any Moaba sy eny amin’ny kianja malalaka dia misy fisaonana avokoa; satria torotoroiko toy ny fanaka tsy misy ilàna azy intsony i Moaba, hoy NY TOMPO.

39Indrisy! Raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! Efa miamboho i Moaba, mangaihay izy ka tonga mampihomehy sady mampatahotra ho an’izay rehetra manodidina azy.

40Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’i Moaba.

41Azo ny tanàna Keriota

ary azo ny manda fiarovana,

ary amin’izany andro izany ny fon’ny lehilahy maherin’i Moaba

dia ho tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.

42Fa horavana tsy ho firenena intsony i Moaba

satria niavonavona tamin’NY TOMPO.

43Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao,

ry mponina any Moaba,

hoy NY TOMPO.

44Izay mandositra ny tahotra

dia ho latsaka any an-davaka;

ary izay miakatra avy any an-davaka

dia ho voan’ny fandrika;

fa hataoko tonga amin’i Moaba

ny taona hamaliana azy,

hoy NY TOMPO.

45Ao amin’ny alokalok’i Hesbona

no ijanonan’ny mpandositra satria lany hery ireny;

kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona

ary lelafo avy any Sihona

ka mandevona ny sisin’i Moaba

sy ny tampon-dohan’ny mpitabataba.

46Idiran-doza ianao, ry Moaba!

Ringana ny olon’i Kemosy!

Fa ho babo ny zanakao lahy

ary hosamborina ny zanakao vavy.

47Nefa mbola hampodiko

avy amin’ny fahababoana ihany i Moaba amin’ny ho avy,

hoy NY TOMPO.

Hatreto ny amin’ny fitsarana an’i Moaba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help