Salamo 78 - Malagasy Bible Revision Version

Ny tantaran’ny Israely: Anatra tsy azo hadinoinaMaskila nataon’i Asafa.

1Henoy ny fampianarako, ry oloko!

Atongilano ny sofinareo amin’ny tenin’ny vavako.

2Hiloa-bava hilaza fanoharana aho!

Hanonona ankamantatra efa hatry ny ela aho.

3Izay efa rentsika sy fantatsika

ary nambaran’ny razantsika tamintsika

4dia tsy mba hafenintsika amin’ny zanany,

fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana NY TOMPO

sy ny heriny ary ny fahagagana nataony.

5Fa nanorina teny vavolombelona teo amin’i Jakoba Izy

ary teo amin’ny Israely no nametrahany lalàna

izay nandidiany ny razantsika,

hampahafantariny ny zanany,

6mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy,

dia ny zaza mbola hateraka,

ka hitsangana hitory izany amin’ny zanany kosa.

7Hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra izy

ka tsy hanadino ny asany

fa hitandrina ny didiny;

8tsy ho tahaka ny razany

izay taranaka maditra sy mpiodina, izy,

dia taranaka izay tsy nampiorina ny fony

sady tsy marina tamin’Andriamanitra ny fanahiny.

9Ny zanak’i Efraima izay nitondra tsipìka hitifirany

dia niamboho tamin’ny andron’ny ady.

10Tsy nitandrina ny faneken’Andriamanitra izy

ary tsy nety nandeha araka ny lalànany.

11Nohadinoiny ny asany

sy ny fahagagana izay nampahitany azy.

12Teo anatrehan’ny razany no nanaovany fahagagana

tany amin’ny tany Ejipta, dia tany amin’ny tany lemak’i Zoana.

13Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita,

dia nampijoro ny rano ho toy ny antontan-javatra.

14Tamin’ny rahona no nitarihany azy raha antoandro

ary afo mahazava nony alina.

15Namaky vatolampy tany an-tany efitra Izy

ka nampigoka azy tahaka ny tamin’ny ranon’ny lalina.

16Nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ny harambato Izy

ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.

17Kanjo mbola nandroso nanota Taminy ihany izy ireo

ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-tany efitra.

18Naka fanahy an’Andriamanitra tao am-pony izy

tamin’ny nilany hanina araka izay nahaliana azy.

19Dia niteny nanohitra an’Andriamanitra izy hoe:

Mahay mamelatra latabatra atỳ an-tany efitra va Andriamanitra?

20Indro, nikapoka ny vatolampy Izy

dia nigororoana ny rano ka nandriaka;

mahay manome mofo koa va Izy?

Mahatonga hena ho an’ny olony va Izy?

21Nony ren’NY TOMPO izany dia tezitra Izy;

nisy afo nirehitra tamin’i Jakoba

sady nisy fahatezerana namely an’Israely,

22satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo

ka tsy natoky ny famonjeny.

23Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy

ary ny varavaran’ny lanitra no novohany,

24dia nampirotsaka mana taminy mba hohaniny Izy

ary varin’ny lanitra no nomeny azy.

25Ny fihinan’ny mahery no nohanin’ny olona;

nandefasany hanina hahavoky azy izy.

26Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ny lanitra Izy

ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo;

27dia nampilatsahany hena betsaka ohatra ny vovoka izy

sy voromanidina ohatra ny fasiky ny ranomasina

28ka nalatsany teny afovoan’ny tobiny

manodidina ny fitoerany.

29Dia nihinana izy ireo ka voky tsara

ary izay nilainy dia nomeny azy.

30Nefa tsy niala tamin’ny filany izy

ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny

31raha nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra

ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy

ary naripany ny zatovolahin’ny Israely.

32Tamin’izany rehetra izany anefa dia mbola nanota ihany izy ireo

ka tsy nino ny fahagagana nataony.

33Dia nanapitra ny androny tao anatin’ny zava-poana Izy

ary ny taonany tao amin’ny horohoro.

34Rehefa nisy novonoiny tamin’ireo dia nitady Azy izy

dia niverina, dia nikatsaka Azy fatratra.

35Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no vatolampiny

ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.

36Kanefa namitaka Azy tamin’ny vavany ireo

ary tamin’ny lelany no nandaingany Taminy.

37Ny fony dia tsy niorina Taminy akory;

eny, tsy nitana ny fanekeny izy.

38Nefa Andriamanitra dia be famindrampo

ka mamela heloka fa tsy mandringana;

eny, nahatsindry fo tokoa Izy

ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany.

39Nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo,

rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.

40Impiry akory izy ireo no efa nikomy Taminy tany an-tany efitra

ka nampalahelo Azy tany an-tany foana!

41Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy

ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Israely.

42Tsy mba tsaroany ny namonjeny azy,

na ny andro izay nanavotany azy tamin’ny fahavalo,

43izay nanaovany famantarana tany Ejipta

sy fahagagana tany an-tany lemak’i Zoana:

44Nampody ny oniny ho ra Izy

ary ny reniranony dia tsy azony nisotroana.

45Nandefa fihitra betsaka hamely azy Izy ka nandany azy ireny

ary sahona ka nanimba azy ireny.

46Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ny sompanga Izy

ary ny vokatry ny asany ho an’ny valala.

47Namono ny voalobony tamin’ny havandra Izy

ary ny aviaviny tamin’ny havandra vaventy.

48Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ny havandra Izy

ary ny omby aman’ondriny ho an’ny varatra.

49Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy;

eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana,

dia anjely maro mitondra loza.

50Nanamboatra lalana ho an’ny fahatezerany Izy

ary tsy niaro ny ain’ireo tamin’ny fahafatesana,

fa nanolotra azy ho lanin’ny areti-mandringana.

51Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta Izy,

dia ny voalohan-terany tany an-dain’i Hama.

52Namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy

ary nitarika azy tany an-tany efitra toy ny andian’ondry.

53Notarihiny tamim-piadanana izy ireo ka tsy mba natahotra,

fa ny fahavalony kosa dia voasaron’ny ranomasina.

54Nitondra azy ho any amin’ny tany misy ny fitoerany masina Izy,

dia ny tendrombohitra izay azon’ny tanany ankavanana.

55Nandroaka ny Jentilisa* teo anoloany Izy

ka nanome ny tanin’ireny ho lova nozaraina tamin’ny kofehy fandrefesana,

dia nampitoetra ireo fokon’ny Israely tao an-dainy avy.

56Nefa naka fanahy an’Andriamanitra Avo Indrindra izy ka nikomy taminy

ary tsy notandremany ny teny vavolombelony.

57Nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany

dia nania tahaka ny tsipìka mamitaka ny mpampiasa azy.

58Nampahatezitra Azy tamin’ny toerana fanaovany sorona izy

sady nahasaro-piaro Azy tamin’ny sarin-javatra voasokitra.

59Nandre izany Andriamanitra dia tezitra

ka nolaviny mihitsy ny Israely

60sady nahafoy ny tabernakeliny* tao Silo Izy,

dia ny tranolay izay naoriny teo amin’ny olona;

61natolony ho babo ny heriny

ary ho eo an-tanan’ny fahavalo ny voninahiny.

62Dia nanolotra ny olony ho an’ny sabatra Izy

ary tezitra indrindra tamin’ny lovany.

63Ny zatovolahiny dia lanin’ny afo

ary ny zatovovaviny dia tsy mba nisy nidera.

64Lavon-tsabatra ny mpisorony,

nefa tsy nisaona ny mpitondratenan’ireo.

65Dia nifoha tahaka ny olona avy natory ny Tompo,

tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ny divay.

66Namely ny fahavalony avy ao aorianany Izy

ka nahafa-baraka azy mandrakizay.

67Nanary ny tranolain’i Josefa Izy

ary tsy nofidiny ny fokon’i Efraima.

68Fa nifidy ny fokon’i Joda* kosa Izy,

dia ny tendrombohitra Ziona* izay tiany.

69Nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy,

tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.

70Nifidy an’i Davida mpanompony Izy

ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry;

71tany amin’ny fiandrasany ny ondrivavy mampinono no nakany azy

mba hiandry an’i Jakoba olony

sy Israely lovany.

72Dia niandry ireo tamin’ny hitsim-po izy

ka nitondra azy araka ny fahendren’ny tanany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help